Ireo fahagagana

nataon’ny Tompo Jesoa

Georges André

Ny fampianarana

ara-panahy

entin’ireo fahagagana

nataon’ny Tompo Jesoa

FAMPIDIRANA

Inona no tanjon’ny Tompo Jesoa tamin’ny nanaovany fahagagana nandritra ny asa fanompoany tet an-tany?

Tamin’ilay fampakaram-bady tao Kana, dia izao no lazain’ny Jaona 2. 11 amintsika: “Izany no nataon’i Jesoa tao Kana any Galilia, ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.” Nasaina tamin’io fampakaram-bady io i Jesoa, niaraka tamin’ny mpianany, ary nanaiky Izy. Lany anefa ny divay, ka novany ho divay ny rano; tsy nisy olon-kafa ho afaka nahavita izany: “nasehony ny voninahiny.” Vokatr’izany dia nihanatanjaka ny finoan’ireo mpianany izay vao nanomboka niara-dia taminy. Efa nahatsikaritra ihany izy ireo hoe Izy no Mesia (1. 41), Ilay nambaran’i Mosesy sy ny mpaminany (and 45), ary koa Ilay Zanak’Andriamanitra (and 49).

Nandritra ny andro firavoravoana tao Jerosalema, dia maro ny nino ny Anarany, “raha nahita ny famantarana izay nataony” (2. 23). Ny fahitana ireny asa mahagaga ireny dia nahatonga olona maromaro “hino” ny Anarany. Fa manampy kosa ny andininy faha-24 hoe: “Fa Jesoa tsy natoky azy, satria Izy nahalala… izay tao am-pon’ny olona” (and 25). Tsy lalim-paka io “finoana” io, tsy nisy fiovam-po. Ny fahagagana irery ihany mantsy dia tsy mitondra ho amin’ny famonjena.

Manana ny lanjany ihany ny fahagagana: “Izaho kosa manana fanambaràna lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ny Ray Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ny Ray” (Jaona 5. 36). Ny fahagagana, miaraka amin’ireo porofo hafa (and 37-39), dia manamarina ny maha-Andriamanitra Azy: vavolombelona ireo fa ny Ray no naniraka Azy.

Ao amin’ny filazantsara araka an’i Jaona, nefa, rehefa namarana ny fanompoany teo anivon’ny vahoaka i Jesoa, dia voatery io mpanoratra ny filazantsara io nilaza tamin’alahelo —ary taratry ny alahelon’ny Tompo izany— hoe: “Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo” (12. 37). Tonga tet an-tany i Jesoa, Ilay fahazavana, “mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy”, hoy Izy (and 46). Nanaporofo ny maha-Izy Azy ny fahagagana, nefa ny tokony ninoana dia Izy, ny teniny sy ny asany.

Alohan’ny hamaranany amin’ny toko faha-21 ny filazantsara nosoratany, dia izao no ambaran’ny apostoly: “Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity; fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy (voasoratra ho an’ny Jiosy, aloha, voalohany indrindra), Zanak’Andriamanitra (ho an’ny olona “rehetra” Jaona 3. 16), ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20. 30-31). Ny finoana an’i Jesoa irery ihany, Jesoa ilay Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, no manome ny fiainana mandrakizay. Koa dia afaka nanoratra io apostoly io, tamin’ny fiafaràn’ny fiainany, hoe: “Izao no fanambaràny: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5. 11-13).

Na izany aza, ireo fahagagana dia feno fampianarana ho antsika, na ny amin’ny fotoana sy toerana nisehoany ara-tantara, na ny amin’ny heviny ara-panahy. Hisafidy ny sasantsasany amin’izy ireo isika, hodinihina akaikaiky kokoa.

1. IREO JAMBA


1.1. Ireo tantara


Efatra amin’ireo no horaisintsika.


a. Ireo jamba roa lahy (Matio 9. 27-30)


Nony niala teo i Jesoa”: nandalo Izy. Impiry moa Izy ao amin’ny Filazantsara no tsy mandalo toy izany, manohy ny lalany, “nandehandeha nanao soa” (Asa 10. 38) {Jereo ny bokikely nosoratanay: “Mahita an’i Jesoa — etsy sy eroa”.}. Nohararaotin’ireo jamba roa lahy izany, nanaraka Azy izy ireo ary nitalaho hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!”. Tsy namaly i Jesoa, fa nanohy ny lalany. Nikiry ihany nefa ireo jamba ary nanatona Azy “rehefa niditra tao an-trano Izy”. Nanontany azy ireo i Jesoa hoe: “Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.” “Dia nanendry ny masony Izy (i Jesoa) ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. Dia nahiratra ny masony.”


Naneho ny finoany ireo jamba, nefa nilaina ny fikasihan’i Jesoa azy manokana: “nanendry” azy ireo i Jesoa. Impiry moa no hita ao amin’ireo filazantsara io matoanteny io, momba an’i Jesoa! Tsy hoe mamerina fomba fiteny, araka ny filaza indraindray, hoe: Minoa ny Tompo Jesoa, dia ho voavonjy ianao. Fa tsy maintsy mifandray manokana amin’ny Tompo ilay miaiky fa jamba sy very, dia mibebaka noho ny fahotany, ary manatona am-pinoana ny Mpamonjy; dia eo Izy no miseho aminy. Raha miorina amin’ny fanambaràn’ny Tenin’Andriamanitra ny mpino, dia afaka mahazo antoka fa manana ilay famonjena izay novidin’ny Tompony lafo.

b. Ilay jamba tao Betsaida (Marka 8. 22-26)


Io jamba io dia tsy nanatona an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny tenany samirery. “Nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’i Jesoa, ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.” Nisy fitaovana nampiasain’ny Tompo hahatonga io lehilahy io eo Aminy; mety ho ilay nitondra io ihany no nangataka, na olon-kafa. Tsy mampiseho ny anjarantsika ve izany: mampahafantatra ny Tompo Jesoa amin’izay tsy mahalala Azy, ary indrindra mivavaka ho azy? Tsy afaka manokatra ny maso isika, Andriamanitra irery ihany no mahefa izany; ary tsy voatery hitovy avokoa ny fomba fiovàm-po.


Noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba. Ny hany nangatahina taminy dia ny hanendry azy; fa mihoatra lavitra noho izany no nataony. Na ilay jamba aza angamba dia nahatsiaro foana, nandritra ny fiainany manontolo, ilay tanana nitondra azy nivoaka ny tanàna.


Indreo izy roa, nifanatrika samirery. Amin’ny toetra maha olona Azy i Jesoa dia nandrora tamin’ny mason’ilay jamba, nametraka ny tanany taminy, ary nanontany azy raha mahita zavatra izy. Sitrana ampahany ihany ilay marary; “mahita ny olona” izy, “fa toa hazo… saingy mamindra”. Tsy maintsy mbola napetrak’i Jesoa “tamin’ny masony indray ny tanany”, mba hahasitrana azy sy hahitany mazava tsara ny zavatra rehetra,“dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara.”


Misy olona mahatsiaro ny andro, na ny ora aza indraindray, izay nahafantarany manokana ny Mpamonjy teo amin’ny fiainany. Ho an’ny sasany, toy ity jamba ity, dia niposaka tsikelikely nandritra ny fotoana maharitraritra ny fahazavana, mandra-pahazony antoka ny famonjena sy ahitany mazava tsara. Ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no “niterahany antsika” (Jakoba 1. 18; Lioka 8. 11). Ny finoana dia mino “izay voasoratra”.


Nampody ilay lehilahy “ho any an-tranony” i Jesoa (Marka 8. 26): any no hijoroany ho vavolombelona. Mbola tsy tonga ny fotoana hilazany ampahibemaso izany fahagagana izany.


d. Ilay lehilahy teraka jamba (Jaona 9. 1-38)


Kinga er ireo mpianatra, maika hanameloka, nilaza hoe: tsy maintsy nanota io lehilahy io, na ny ray aman-dreniny, matoa teraka jamba tahaka izao. Nolavin’i Jesoa nefa izany: “Ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy”, hoy Izy.

Izy dia nahita ilay lehilahy mahantra. Fanamarihany an’ohatra ny maha-Olona Azy ny nandroràny tamin’ny tany, nanaovany feta tamin’ny rora ary nanosorany izany tamin’ny mason’ilay jamba, toy ny fanafody. Mbola tsy hampisokatra ny masony nefa izany. Firifiry moa ny olona no milaza fa Jesoa dia lehilahy tsara fanahy, maro toetra soa, antra olona, modely, saingy tsy miroso mihoatra izay.


Nasaina nisasa tany amin’ny farihy Siloama, izay adika hoe Nirahina, ilay jamba (and 7). Ny finoany no nitondra azy tany; nisasa izy ary nony niverina dia nahiratra! Tany no nahazoany tsindry mandry, raha azo ambara, fa Io no “Ilay Nirahin’ny Ray”.


Marefo dia marefo tokoa io finoany io: zara izy raha afaka namaly ireo manontany azy ny fomba nampahiratra ny masony, hoe: “Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta, dia nanosotra ny masoko” (and 11). Izao no holazainy amin’ny fariseo: “Mpaminany Izy” (and 17). Rehefa nampanantsoin’ireo indray izy, dia nilaza nihoatra izany: “Avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany” (and 33).


Tsy navelan’i Jesoa tsy hahalala ny amin’Izy Tenany nefa izy. Noroahin’ireo fariseo nivoaka ilay jamba sitrana. Hitan’ny Tompo izy, ary nanontaniany hoe: “Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?” Io lehilahy io nefa, tsy mahalala hoe iza izany Zanak’Andriamanitra izany; fa nony nilaza i Jesoa hoe: “Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy”, dia namaly teo no ho eo izy hoe: “Tompoko, mino aho!”. Tamin’ny voalohany, izany, dia Olona no filazany Azy, avy eo dia Mpaminany, avy eo dia Lehilahin’Andriamanitra. Amin’izao fotoana izao kosa Izy dia fantany hoe Zanak’Andriamanitra, ary niankohoka teo anatrehany izy.


e. Bartimeo (Marka 10. 46-52)


Tonga amin’ny diany farany i Jesoa. Miakatra ho any Jerosalema Izy; fantany ny zavatra miandry Azy. Tonga tany Jeriko miaraka Aminy ny mpianany sy vahoaka be. Nangataka teo amoron-dalana i Bartimeo, ilay jamba. Fotoana tsy hiverina io. Tsy handalo eo intsony ny Mpamonjy. Nahare ilay zanak’i Timeo fa i Jesoa avy any Nazareta no tonga, ka niantsoantso izy hoe: “Ry Jesoa, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!” Toy ireo jamba roa lahy tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoan’i Jesoa, dia nahafantatra i Bartimeo fa Izy no ilay Mesia. Maro ny niteny azy, nitady izay hampangina azy: Aza miantsoantso toy izany! Tsy toy izany koa ve ankehitriny? — Misy olona iray voakasiky ny Filazantsara; dia indreo namany, milaza tsy hiraharaha izany, angano izany, olombelona fotsiny ihany i Jesoa. Ary na mpino aza, mety tsy mahatsapa akory angamba, dia tonga sakana amin’io finoany vao mitsiry io, noho ny fitondràntenany na ny tsikera ataony.


Tsy nanaiky hokiviana nefa i Bartimeo, fa vao mainka niantsoantso mafy hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!” Dia “nijanona” i Jesoa. Nitodika nankany Jerosalema Izy, efa tapa-kevitra tanteraka; tsy misy na inona na inona afaka hanakana Azy tsy hizotra amin’io lalana hitondra Azy ho amin’ny hazofijaliana io. Nefa, noho ny fitalahoa-na lehilahy mahantra iray, dia nijanona Izy! Nasainy nantsoina ilay jamba, ka maika er nanatona Azy. “Inona no tianao hataoko aminao?”, hoy i Jesoa. Dia namaly i Bartimeo hoe: “Rabôny ô, ny mba hampahiratana ny masoko.” Nifanatrika teo afovoan’ny vahoaka ireo lehilahy roa ireo. Hampahiratin’i Jesoa ny masony. Inona no zavatra ho hitany voalohany, fa tsy ilay tava feno fitiavana izay mijery azy? Hiraikitra Aminy mandrakizay ny fony: “Nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana izy.”


1.2. Fampianarana ara-panahy


a. Iza no jamba?


Lazain’ny 1 Korintiana 2. 14 antsika fa “ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.” Jamba izy. Tsapa izany rehefa resahina Baiboly ny tsy mpino: tsy azony ny fanambaràna lazain’ny Baiboly. Ho azy, dia boky feno zavatra mifanohitra io, zavatra tsy lojika; mety ho boky mahaliana ihany angamba, fa maro amin’ireo tantara ao anatiny no angano… “Raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina ho an’izay very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra” (2 Korintiana 4. 3-4). Mitondra ny fahazavana ny Filazantsara. Izy dia “herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Romana 1. 16). Ary mihoatra lavitra noho izany aza, izy no “filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra”. Saingy nohajambain’i Satana ny sain’ireo tsy mpino. Tsy misy hitany izany voninahitra izany.


Nolazain’i Jesoa mazava tsara tamin’i Nikodemosy izany, raha tonga tao Aminy tamin’ny alina izy: “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakàn’Andriamanitra” (Jaona 3. 3). Mba hananana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy ateraka amin’ny rano (ny Tenin’Andriamanitra) sy amin’ny Fanahy —izay mampihatra io Teny io ao an-tsaina sy ao am-po—, ary mandray ny Tompo Jesoa: “Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay ... naterak’Andriamanitra” (Jaona 1. 12-13). Mino amin’ny fo ny Zanak’olona nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, dia Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, nomena “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3. 16).


Ny fariseo no hentitra indrindra sy tia fivavahana indrindra teo anivon’ny Jiosy, tamin’ny andron’i Jesoa. Imbetsaka izy ireo no nambaran’i Jesoa hoe jamba. Nefa izy ireo dia niteny hoe: “Mahiratra izahay.” Vao mainka mitombo ny andraikiny, noho ny tsy nahitany fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra (Jaona 9. 39-41).


Nomen’izy ireo lanja tena lehibe ny zavatra ivelany, ny fitandremana ny sabata, ny fahafolon-karena, ny fisasàn-tanana alohan’ny sakafo. “Lozanareo (hoy i Jesoa) ... fa diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsy fahononana… Raha amin’ny eo ivelany, dia miseho amin’ny olona ho marina (ianareo), nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy” (Matio 23. 23-28).


Diovina aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba hadio koa ny vohony (and 26). Matetika nefa dia ny mifanohitra amin’izany no atao, amin’izao androntsika izao! Mety ho ara-dalàna ny fiainana, tsy tapaka mankany am-piangonana, tsara toetra eo anivon’ny fianakaviana sy ny asa, nefa ny varavaran’ny fo dia mirindrina ho an’i Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy. Matetika loatra, na dia eo amina mpino na fikambana-na mpino aza, rehefa mihena ny fiainam-panahy, dia omena lanjany mihoatra ny tokony ho izy ny zavatra ivelany; marina fa manana ny anjara toerany ireo, nefa amin’ny maha-vokatry ny fiainana anaty azy, fa tsy amin’ny maha-fombafomba ampisehoana endrika toe-panahy araka an’Andriamanitra.


Na mpino aza dia mety ho jamba. Tsy nandroso ara-panahy izy. Tsy hita ao aminy ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ny fitiavana ny rahalahy. “Jamba (izy) ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny” (2 Petera 1. 5-9). Tsy hoe jamba tanteraka tsy akory izy, fa “tsy mahajery lavitra.” Ny tenany, ny zavatra mikasika azy no manahirana azy, hany izy ka “malaina na tsy hahavokatra… amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika”. Ny fahasoavan’Andriamanitra manontolo sy ny fananarany amin’ny maha-Ray Azy no ilaina, vao hisokatra indray ny masony.


I Jaona, izay manao teny hentitra mandrakariva ao amin’ny epistiliny, dia tsy mihambahamba milaza hoe: “Izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina… satria ny maizina no efa nahajamba ny masony” (1 Jaona 2. 11). Mety ho tamina tsy fahazohazoana, tsy fitiavana, no niantombohan’io fahajambana io; dia nisy fanakianana nisosoka teo; farany dia nihatakataka, tsy nifampiarahaba intsony; ary hitan’Andriamanitra ao anatin’ny fo ny fankahalana, na dia tsy iekena amin’ny tena aza, satria ny tena efa voajamba.


b. Jesoa mampahiratra ny maso


Ny Testamenta Taloha dia tsy mba mitantara fanasitranana jamba, na dia iray aza: natokana ho an’ny Mesia ny fanaovana io karazam-pahagagana iray io. Ampahatsahivin’ny 2 Mpanjaka 6. 17 ihany ny momba ilay tovolahy izay nampahiratina ny masony mba hahitany ireo kalesy afo niaro an’i Elisa, nefa mason’ny finoana no nomena azy, tamin’io. Lazain’ny Isaia 42. 7 mazava fa hirahina ny Mesia mba “hampahiratra ny mason’ny jamba”. Ao amin’ny Filazantsara, dia i Jesoa tenany mihitsy no namaky tao amin’ny synagoga ny Isaia 61: “Ny Fanahin’i Jehovah no … naniraka Ahy hitory… fampahiratana amin’ny jamba” (Lioka 4. 18). Raha ara-panahy, dia toy izany ihany, ankehitriny. Ny Tompo sy ny Fanahiny ihany no afaka mampahiratra ny mason’ny fo; nefa mampiasa fitaovana ihany koa Izy, hahatratrarany izany tanjona izany.


Saoly avy any Tarsosy, izay nanjary jamba teny amin’ny lalana mankany Damaskosy, dia nitoetra irery telo andro niaraka tamin’Andriamanitra. Rehefa naniraka an’i Ananiasy hankany aminy ny Tompo, dia niteny hoe: “Indro, efa mivavaka izy”, ary io no zavatra voalohany nataon’ilay ho tonga apostoly lehibe. Rehefa nanatona azy i Ananiasy, dia nisy toy ny kiran-trondro niala teo amin’ny mason’i Saoly: niverina nahiratra izy. Zava-mahagaga izany, tsy ara-batana ihany, fa ara-panahy koa —mazava ho azy !—, dia fiainana niova tanteraka. Tsy voafafa tsy akory ny fahatsiarovana ireo taona naha-jamba; na dia tamin’ny fiafaràn’ny fanompoany aza ny apostoly, dia mbola nahatsiaro ihany fa “mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpampahory” (1 Timoty 1. 13). Izy no “lohan’ny mpanota”, hoy izy, satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra. Nampahiratra azy nefa ny fahasoavana, ary, mihoatra noho izany aza, naniraka azy ho any amin’ny Jiosy sy ny jentilisa, mba “hampahiratra ny masony, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra” (Asa 26. 18).


Ny mpino ankehitriny koa dia mila ny hanomezan’Andriamanitra azy “ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratana ny mason’ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany sy izay harenan’ny voninahitry ny lovany eo amin’ny olona masina, ary ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny, ho antsika izay mino” (Efesiana 1. 17-19). Tsy resaka fahitana ara-batana intsony eto, na koa fahitana voalohany aza, fa kosa fandrosoana ho amin’ny fahalalana ireo hevitr’Andriamanitra, araka ny anambaràn’ny epistily ho an’ny Efesiana azy, epistily izay lalina tokoa. Izany dia tsy asan’ny saina na ny fahaizana, fa kosa asan’ny mason’ny fo.


Indray hariva, tao amina efitrano kely iray, dia nisy lehilahy telo niara-nipetraka hisakafo. Ilay iray tamin’izy ireo dia nanatona ireo mpinamana roa izay tao anatin’ny alahelo, ka nampangorakoraka ny fon’izy ireo, tamin’ny niresahany taminy ny zavatra mikasika Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo. Voahazona nefa ny mason’izy ireo: tsy fantany fa i Jesoa mihitsy io niara-dia taminy io. Teo am-pisakafoana dia Izy dia nandray ny mofo ka nisaotra, ary namaky sy nanolotra azy. Tamin’izay “dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy!” (Lioka 24. 31). — Manana firaisana manokana Aminy, mamoha ny varavaran’ny fo, mandray an’Ilay te “hiara-misakafo amintsika, ary isika Aminy” (Apokalypsy 3. 20), tsy izany ve no faratampon’ny fifaliana? Mahiratra ny mason’ny fanahy, amin’izay, hahalala Azy.


Nefa, hoy i Jesoa, tokony ho tsara ny masonao (Matio 6. 22-23), fa tsy ho voasembantsemban’ny fanahiana samihafa; mifantoka matetika araka izay azo atao amin’ny zavatry ny mandrakizay sy Ilay Olona mahafeno azy. Amin’izay “dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.” — “Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra.” Miherikerika ny maso; tsindriana ny toetra ratsin’ny hafa; itarainana ny izatsy na izaroa izay tsy mandeha tsara na tsy mandeha araka ny itiavana azy. Tsy ny vokatra nomen’Andriamanitra no jerena, fa ireo fahadisoan’ny hafa no visavisaina, ka mamelatra sehatra malalaka ho an’ny hafetsen’ny fahavalo. Ny tena, izany hoe ilay olona anaty, dia manjary maizina. Koa tsy maintsy miditra an-tsehatra ny Fanahin’Andriamanitra, mitarika izany mpino izany hibebaka, mba hahafeno fahazavana azy indray.


d. Miantso sy manasa ny jamba (Lioka 14. 13)


Firifiry akory moa ireo jamba manodidina antsika! Tsy anjarantsika ve ny manasa azy ireo hanatona Ilay afaka hampahiratra azy? Ekena fa asa sarotra izany, nefa anisan’ny antony nanomezana ny Fanahy Masina, dia mba ho voambara “hatrany amin’ny faran’ny tany” ny fijoroana ho vavolombelona (Jaona 15. 26-27; Asa 1. 8).



2. IREO BOKA


Ny habokana taloha, ary mandraka ankehitriny, dia aretina mahatsiravina, mikiky ny nofo ary manapotika rantsam-batana, hany ka mila tsy ho afaka mamelon-tena intsony ilay olona, aretina mitarika ho amin’ny fahafatesana. Ankehitriny dia efa voatsabo tsara io aretina io, na dia mbola mihanaka ihany aza, indrindra at Afrika. Tamin’ny andron’ny Tompo Jesoa, dia io no aretina tsy nisy fanafany ary tena natahorana.


2.1. Ireo tantara

Tranga telo ao amin’ireo filazantsara no ndeha horaisintsika.

a. “Boka anankiray” (Matio 8. 2-4; Marka 1. 40-45; Lioka 5. 12-14)

Nisy boka anankiray nanatona (Azy).” Tsy nafeniny ny habokany, ny mifanohitra amin’izany aza, nitalaho izy, nandohalika ary niteny hoe: Raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy. Resy lahatry ny herin’ny Mpamonjy ny finoany. Sitrapon’i Jesoa ve ny hanasitrana azy? Ho tonga hatramin’izany ve ny fitiavany? Onena azy i Jesoa, naninjitra ny tanany ary “nanendry” azy. Ny fikasihana boka dia mety hitarika fifindràn’aretina; araka ny lalàna, aloha, dia mandoto ny tena izany. Nefa kosa, avy amin’i Jesoa, izany hetsika izany dia naneho izay rehetra tao am-pony momba io olo-mahantra io. Araka izany, tsy ny fifandraisana amina mpanota tiana hotarihina ho eo amin’ny Tompo, tsy akory, no mandoto; ny mifanohitra amin’izany aza, io fifandraisana io dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra, miasa amin’ny alalan’ny mpino mba hitarihana fanahy hanatona Azy.

Teo no ho eo dia niala ny habokan’ilay lehilahy: madio izy, sitrana. Inona izao no hataony? Nasain’i Jesoa niseho tamin’ny mpisorona izy, ary mitondra ny fanatitra nandidian’i Mosesy hatao, araka ny Levitikosy 14. Noho izany fahasitranana mahagaga izany, dia nisy fijoroana ho vavolombelona tokony naseho, nefa tsy maintsy natao araka ny fanambaràn’ny Tenin’Andriamanitra, araka izay voalaza tamin’izany fotoana izany.

b. Ireo boka folo lahy (Lioka 17. 12-19)

Tsy olona tokana intsony no tonga nanatona an’i Jesoa, fa vondron’olona. Tsy mitovy avokoa ny fomba fiovam-po; ny sasany ao amin’ny mangingina, ny sasany amin’ny alalana namana iray na mpino hafa; indraindray izany dia mahakasika olona vitsivitsy miaraka, na dia tsy maintsy mandray amin’ny finoana ho azy tsirairay ny asan’i Kristy aza izy ireo.


Efa teo amin’ny diany farany i Jesoa teto, “niakatra ho any Jerosalema”. Nisy boka folo lahy nifanena taminy, nijanona “teny lavitra eny”; manaja ny fitsipiky ny lalàna izy ireo tamin’izany. Niantsoantso izy ireo hoe: “Ry Jesoa Tompo (Ilay ambonin’ny olona rehetra) ô, mamindrà fo aminay!”


Nosedrain’ny Tompo ny finoan’izy ireo. Tsy nositraniny izy ireo, tsy nokasihiny. Nasainy niseho tany amin’ny mpisorona fotsiny. Inona no tokony hampisehoana ny habokan’ny tena any amin’ireo mpisorona? Tsy holazainy amin’ny tsirairay amin’izy ireo ve fa maloto izy? Tsy maintsy nino ny tenin’i Jesoa vao afaka nanao izany. Dia indro fa raha teny an-dalana izy ireo, dia samy nadio avokoa.


Niverina ny iray tamin’izy ireo. Nankalaza an’Andriamanitra izy, noho ny nanafahana azy, ary niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa ka “nisaotra Azy” —io no hany tranga ao amin’ny filazantsara, milaza olona misaotra ny Tompo noho ny nanasitranany azy. I Bartimeo, nanaraka Azy teny an-dalana; olona sasany hafa, niara-dia taminy. Fa eto, ary eto ihany, no nisy olona nisaotra Azy. Azo antoka fa voakasik’izany fihetsika izany ny fon’Ilay Olona tanteraka, fihetsika natao-na Samaritana, olona hafa firenena. Raha nanatona Azy ireo folo lahy, dia ho azony natao tsara ny niteny tamin’izy sivy hiseho any amin’ny mpisorona, fa tamin’ilay Samaritana kosa hoe tsy hikarakara azy Izy, satria “ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana” (Jaona 4. 9). Mazava izany fa ny fahasoavana dia ho an’ny olon-drehetra.
— “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy?” Nahoana no ny iray amin’ny folo ihany no tonga nanome voninahitra an’Andriamanitra, amin’izay indray mbola olona hafa firenena? Nahoana no ampahany kely amin’ny mpino ihany no mahalala ny tena fivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, mamaly amin’izany ny fanirian’ny Ray, Izay mitady mpivavaka Aminy toy izany, mba hanatitra fanati-panahy ao an-tranon’Andriamanitra aorina amin’ny vato velona? (1 Petera 2. 5).


Tsy mila mankany amin’ny mpisorona ilay Samaritana. Hoy i Jesoa taminy: “Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.” Faly er ny Tompo niteny izany; fa tamin’alahelo kosa no niandrasany hoe mba hisy vitsivitsy, fara fahakeliny, “hiverina hanome voninahitra an’Andriamanitra”.

d. Simona, ilay boka (Matio 26. 6; Marka 14. 3)


Efa nihantomotra ny farany. Niha-manatona hatrany eo amin’ny lalan’i Jesoa ny aloky ny hazofijaliana. Nasaina hisakafo Izy {Jereo H. Rossier: “Ilay sakafo tao Betania”.}, tao Betania, “tao an-tranon’i Simona boka”. Matoa ilay boka afaka nandray Azy tao an-tranony, dia satria efa nositraniny. I “Lazarosy, ilay natsangany tamin’ny maty” koa, dia anisan’ireo mpiara-misakafo tao (Jaona 12). Eo anivon’ireo olona vitsivitsy ireo no ho avy i Maria, miaraka amin’ny zava-manitra, hanosotra ny lohan’ilay mpanjaka sady mpanompo no mpaminany, araka ny filazan’i Matio sy i Marka Azy, ary ny tongotr’Ilay Zanak’Andriamanitra, araka ny filazan’i Jaona.


Teo tokoa ny fankasitrahana sy ny fitsaohana mangina nataon’ilay boka nositranina, sy ilay natsangana tamin’ny maty, ary ilay vehivavy nahalala ny tenany hoe tian’ny Tompony (Jaona 11. 5).


2.2. Fampianarana ara-panahy

Marina tokoa ny fandraisana ny habokana ho toy ny sarin’ny ota izay mikiky, mihanaka ary mamotika. Firifiry moa ireo fianakaviana potika, ireo ankizy mijaly, satria namitaka ny vadiny ny iray tamin’ireo ray aman-dreny. Firifiry akory ireo fiainana potika, ara-batana sy ara-panahy, noho ny toaka na ny zava-mahadomelina! Firifiry ireo vondrona kristiana isan-karazany no voazarazara sy voaparitaka noho ny fifankahalana, ny fifanasoketana, ny fialonana!

Ny ran’i Jesoa Zanany (Zanak’Andriamanitra) no manadio antsika” (1 Jaona 1. 7) ho afaka amin’io ota io, io toetra mpanota io, sy amin’ireo vokany. Nitondra ny fahotantsika (ny asa ratsy nataontsika) tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo, i Kristy (1 Petera 2. 24). Nefa manindry koa ny Teny fa “Ilay tsy nahalala ota dia efa nataony ota, hamonjy antsika”, hanafaka antsika amin’ny herin’ny ota. Asehon’ny 1 Korintiana 6. 9-10 antsika ny fitanisana ireo “boka folo”. Tsy mba handova ny fanjakàn’Andriamanitra izy ireo. Fa manampy kosa ny andininy faha-11 hoe : “Mba efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” Araka izany, raha misy olona maniry ny handray ny Fanasàn’ny Tompo, dia tsy isaina ireo fahadisoana nataony talohan’ny niovany fo, na dia fahadisoana lehibe aza. Fa kosa, raha mpino no tratran’izany fahalavoana izany, indrindra fa raha fanta-bahoaka izany, dia ampianarin’ny toko faha-5 amin’io epistily io ihany isika, hoe “Esory aminareo ilay mpanao ratsy” (1 Korintiana 5. 13).

Nanatona an’i “Jesoa” ilay boka, ary Izy “nanendry” azy. Tsy nanafina ny habokany izy, niaiky izany nony nankeo amin’Ilay manana fahefana hanasitrana azy. Antsoin’Andriamanitra ny olona rehetra hibebaka, hiaiky ny fahadisoany. Io fibebahana amin’Andriamanitra io dia mifamatotra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika (Asa 20. 21). Rehefa tena azon’ny olona iray amin’ny finoana fa maty noho ny fahotany i Jesoa, nanefa ny trosany, dia afaka mahazo antoka izy fa voavonjy.


2.3. Levitikosy 14 — Ny fanadiovana ny boka


Ireo tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha dia toa bokin-tsary manampy antsika hahazo ny hevitr’ireo fahamarinana saro-takarina ao amin’ny Testamenta Vaovao {Jereo ilay bokikely “Fanatitra iray ihany — Sorona samihafa”.}. Io toko io, indrindra indrindra, no mampiseho amintsika ireo dingana samihafa mifanesy tanterahin’izay boka sitrana. Izany ve no tao an-tsain’ny Tompo raha nandidy ilay lehilahy nodioviny, mba hanatitra izay nandidian’i Mosesy azy noho ny fahasitranany?


Hitan’ny mpisorona fa sitrana amin’ny habokany ilay boka. Dia maka vorona roa velona sy madio izy, ary koa hazo sedera sy jaky ary hysopa. Vonoina eo ambonina vilany tany misy rano nalaina tamina rano mandeha ny vorona iray; atsoboka ao amin’ny ran’io vorona novonoina io ilay vorona mbola velona mbamin’ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa; dia alefa hanidina ho eny amin’ny lanitra ilay vorona.
Sary an’ohatra mazava tsara izany: sarin’ny fahafatesan’ny Tompo Jesoa sy ny fitsanganany ho velona indray. Nilaina ny sary roa, dia ilay vorona velona sy ilay vorona maty, mba hilazana izany amintsika. Natsoboka tao anaty ra koa ny hazo sedera, ny hazo tsara indrindra eo amin’ny zavaboary, sy ny hysopa, izay bitika indrindra (1 Mpanjaka 5. 13), ary ny jaky, voninahitr’izao tontolo izao. Tsy misy afaka manadio izany rehetra izany, ary ny mifanohitra amin’izany aza, tsy maintsy ailika izy ireo.
Ny Romana 4 dia mampiseho amintsika amin’ny antsipiriany ny fanamarinana amin’ny finoana, mampiseho hoe ahoana no hanomezana ny fanamarinana, “hanisana” izany ho an’izay mino; tsy ho an’i Abrahama ihany, “fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesoa Tompontsika tamin’ny maty, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4. 24-25).

Nafafy impito amin’ilay olona hodiovina ny ran’ilay vorona maty. Tsy maintsy nahatsiaro tsara io olona io fa nilaina io sorona io hanadiovana azy. Tsy misy, eo imason’Andriamanitra, fomba hafa ankoatra ny ran’i Kristy, hanamarinana antsika, izay nanjary meloka noho ny ota.


Ilay boka koa dia tsy maintsy nanao hetsika samihafa: nanasa ny fitafiany, izany hoe nandamina ny fiainany ivelany, izay niainany lavitra an’Andriamanitra ka tena feno loto. Antsoina koa izy mba hizotra “amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6. 4). Ary tsy maintsy niharatra ihany koa izy ary nandro tamin’ny rano; ny Teny, izany hoe ny rano, dia tsy maintsy niasa teo amin’ny fiainany anaty: tsy maintsy nailika izay rehetra avy amin’ny nofo, asehon’ny volo. Izay izy vao nolazaina hoe “madio”. Taorian’izany izy dia nahazo niditra tao amin’ny toby, saingy mbola tsy nahazo niditra tao amin’ny tranolainy. Anisan’ny vahoakan’Andriamanitra izy, nefa mbola tsy tena nahalala ny fiombonana manokana Aminy.


Afaka fito andro izy, afaka herinandro maninjitra dia tsy maintsy namerina ireo hetsika rehetra ireo indray: miharatra, manasa ny fitafiany, mandro; izay izy vao “madio”, midika (na tsy nambara mazava aza) hoe miditra ao amin’ny tranolainy. Efa nadio izy taorian’ny sorona nanolorana ireo vorona roa, toy ny efa maha-voavonjy izay mino ao amin’ny fahatsoran’ny fony ny Tompo Jesoa; nefa mbola tsy maintsy nohalalinina ny asa ao amin’ny fanahiny; toy izany koa ny famboarana ny toe-tsaina mba handeha hanaraka ny Tompo sy hisitraka ny fiombonana Aminy.


Farany dia nisy “andro fahavalo” tonga, andro voalohany amina herinandro vaovao, ho antsika dia ny alahady. Amin’io andro io dia tsy maintsy naterina ny sorona rehetra: fanati-panonerana noho ireo fandikàn-dalàna sy ireo fahadisoana; fanatitra noho ny ota, izay tena maha-olona ny olona; fanatitra dorana manontolo sy koba aterina eo amin’ny alitara.


Nakan’ny mpisorona ampahany ny ran’ny fanati-panonerana, hatao amin’ilay hodiovina, eo an-tendron-dravin-tsofiny havanana ary eo amin’ny ankiben-tanany havanana sy ny ankiben-tongony havanana. Zava-dehibe ny mahatsapa ao anatintsika lalina indrindra ao fa nilaina ny ran’i Kristy, hanonerana ny ratsy rehetra ren’ny sofintsika, ny zava-dratsy rehetra nataontsika, ny halotoana tany amin’ireo toeran-dratsy rehetra nitondran’ny tongotsika antsika.


Izay ny momba ny lafiny ratsy. Fa naka menaka koa ilay mpisorona, namafy izany teo anoloan’i Jehovah, dia nanisy izany tambonin’ny ra teo an-tendron-dravin-tsofina sy ny ankiben-tanana ary ny ankiben-tongotra. Ao amin’ny Soratra Masina manontolo, ny menaka dia kisarisary maneho ny Fanahy Masina, omena ny mpino ary manova ny fiainany. Manomboka eo izy dia hianatra hihaino amin’ny alalan’ny Fanahy, hiasa amin’ny alalan’ny Fanahy ary handeha amin’ny alalan’ny Fanahy.


Tsy izay ihany. Ny ambin’ny menaka dia nararaka teo ambonin’ny lohan’ilay boka nodiovina. Ny Fanahy no mitantana, mitarika, mampianatra ny mpino ary mitondra azy any amin’ny tena fahamarinana. Io no tena tsiambaratelon’ny “fanafahana”, ny “fiainana feno”, ny “fahafahana” izay nametrahan’i Kristy antsika.


Rehefa vita ireo dingana rehetra ireo, dia nadio ilay olona. Nilaina nefa, raha azo lazaina toy izao, ny ahazoany lalindalina kokoa hatrany ny asan’i Kristy, “Izay tia antsika” ka nanolotra “ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahina, hamonjy antsika”. Io “fanatitra amin’Andriamanitra” io dia ambaran’ilay fanatitra dorana tanteraka eo amin’ny alitara, aterina miaraka amin’ny fanatitra hohanina, izay manambara ny fiainana lavorary niainan’ny Tompo Jesoa (Levitikosy 14. 20).


Izany no fanompoam-panahy atao amin’Andriamanitra, atao amin’ny Ray. Afaka misaotra isika noho ny namonjeny antsika, midera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra nataon’i Kristy ho antsika, misaotra Azy noho ny soa rehetra arotsany amintsika. Fanompoam-panahy avo lenta lavitra noho izany ny manolotra amin’ny Ray Ilay Olona nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny sitrapony Izy Andriamanitra, ary nanolotra ny tenany “ho hanitra ankasitrahina” {Jereo J. N. D. “Ny fanompoam-pivavahana araka ny Teny”.}.


Maro ireo hira mampiseho izany toetra izany:

Nitia anay hatramin’ny fahafatesana Ianao,
Ry Mpamonjy be fitia…
Nitambesatra taminao
Irery amin’io ora maizina io
Ny namoizana Anao sy ny tebiteby ary ny horohoro
Noho ireo fahotanay tsy hita isa.


Izay ny momba ny fanati-panonerana.


Nijaly Ianao, ry Jesoa, Mpamonjy, Zanak’ondry, Sorona!
Nandrefy ilay lavaka tsy hita noanoa ny masonao;
Ary ny fonao, tamin’io vesatra indray miseho io,
Dia nitondra ny famaizana ho mandrakizay anay.


Ary io angamba ny momba ny fanatitra noho ny ota.


Fa rehefa mihira kosa isika hoe:


Nidina avy any an-danitra Ianao, nanolo-tena ho sorona,
Ary tamin’ny alalanao irery no nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra;
Ny fahamasinany, ny fitiavany, ny fahamarinany,
Dia nasandratry ny hazofijalianao avokoa, ry Jesoa,

dia manolotra fanatitra dorana manontolo.


Ny fanatitra hohanina indray, ilay fiainana lavorary niainan’i Jesoa, dia hita amina andininy toy itony:


Fitiavana faratampony, fahasoavana tsy misy fetra!
Hitanay Ianao, ry Olona Izay Andriamanitra,
Nanomboka teo amin’ny fihinanam-bilona ka hatramin’ny fahafatesana,
Nanaraka ilay lalanao feno fijaliana…


Hoy ilay hira nohiraina tet an-tany, hoe: “Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, … ho Azy anie ny voninahitra” (Apokalypsy 1. 5-6). Ilay hira vaovao hohiraina any an-danitra kosa dia tsy hiresaka ny amintsika intsony, fa hiresaka Azy: “Ianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra…” (Apokalypsy 5. 9). “Ho an’Andriamanitra” no nahazoana ny olom-boavotra; ary i Kristy no handray “ho an’ny tenany” ilay fiangonana “malaza … masina sady tsy misy tsiny” (Efesiana 5. 27).


Ianao mihitsy no hahita izay tadiavin’ny fonao,
Dia ilay voa masaka sy lavorary, vokatry ny asanao teo amin’ny hazofijaliana;
Hisitraka ny asan’ny fanahinao, Ianao, ry Tompo,
Ary ho afa-po noho izany ny fitiavanao avy amin’Andriamanitra.

3. IREO MOANA SY MARENINA — IREO TANANA MATY


3.1. Ireo tantara


a. Ireo marenina


Ny filazantsara dia mitantara tranga samihafa momba ny marenina nositranin’ny Tompo Jesoa, saingy tsy milaza ny antsipiriany. Ndeha horaisintsika ny ao amin’ny Marka 7. 32-35.


Toy ny tamin’ilay jamba tao Betsaida, io lehilahy io dia “nentiny tany aminy, … nangataka taminy ireo.” Tsy tonga irery teo amin’ny Tompo ilay marenina, fa Andriamanitra no nampiasa fitaovany, mba hitondra azy. Toy ny nataon’i Jesoa teo aloha, dia nentiny nihataka ralehilahy, niala ny vahoaka, ary teo no nisian’ilay fifandraisany manokana taminy, fifandraisana tena ilaina: “Nangarona ny sofiny tamin’ny rantsantanany (Izy), dia nandrora ka nanendry ny lelany.” Toy izay nataony tamin’ny nampitomboany ireo mofo (6. 41), ary ny mbola nataony tamin’ny vavaka farany nataony tamin’ny Ray (Jaona 17. 1), dia “niandrandra ny lanitra” Izy, ilay lanitra loharanon’ny fitahiana rehetra. Saingy tsy nahafehy tena tsy hisento Izy, nahita ny fahoriana rehetra nanodidina Azy. Hoy Izy tamin’ilay marenina: “Efata”, izany hoe: Maladia. Teo no ho eo dia nalady ny sofin’ilay lehilahy sady voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny mazava izy. Mazava ny fampianarana: mba hahazoana miteny, dia tsy maintsy mihaino, aloha; manana sofina mahay mihaino am-pitandremana, aloha, izay ny lela vao afaka milaza teny mahasoa. Hoy ny vahoaka momba an’i Jesoa: “Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra.”


b. Ireo moana

Taorian’ny fisehoan’ny voninahitra tamin’ny niovan’i Jesoa tarehy tao an-tendrombohitra, Jesoa dia niara-nidina tamin’ny mpianany telo ho eny an-tany lemaka (Marka 9. 14-27). Teo anivon’ny vahoaka sy ny mpanora-dalàna niady hevitra dia nisy ray iray anaty famoizam-po: “Mpampianatra ô, nentiko ho et aminao ny zanako lahy, izay azom-panahy moana.” Tantarain’ilay ray ny fomba fihetsehan’ny aretina teo amin-janany, aretina izay matetika no efa saiky nahafaty azy. “Raha mba misy hainao, … vonjeo izahay.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino” (and 23). Noteneniny mafy ilay demonia, hoe: “Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.” Taorian’izay Izy dia afaka “nanolotra ilay zaza tamin-drainy”, araka ny filazan’i Lioka (9. 42).

Hiova tanteraka ny fifandraisan’ilay ray sy ny zanany. Taloha dia ny olana, ny fanahiana lalandava izay hoavin’ity zaza ity eo ambany fahefan’ny fahavalo; izao dia fiainam-baovao no niantomboka, fifandraisana vaovao. Izy mianaka dia samy hankasitraka tanteraka ny Tompo Jesoa, Izay namaly ilay finoana kelin’ity ray.

Ao amin’ny Lioka 11. 14 dia misy lehilahy moana nafahana tamin’ny demonia nangeja azy, ka nanomboka niteny. Ao amin’ny Matio 12. 22 dia nisy lehilahy iray jamba sy moana, ka tsy afaka nahita ny Mpamonjy na niresaka ny momba Azy, nafahana tamin’ny ziogan’i Satana.

d. Ireo tanana maty (Matio 12. 9-13; Marka 3. 1-5; Lioka 6. 6-8)

Tao amin’ny synagoga izay mbola nidiran’i Jesoa indray, na dia niandry Azy tao aza ny fanoherana, dia nisy lehilahy iray maty tanana. Sabata ny andro; notiliana izay hataon’ny Tompo: hanasitrana amin’io andro io ve Izy? Samy hoporofoiny ny fitiavany sy ny heriny. Tsy maintsy mijoro eo imason’ny rehetra ilay lehilahy, mba hiharihary ny fahasitranany. Tsapan’i Jesoa ny tsy fankasitrahana: “Moa ny manao soa va no mety hatao amin’ny Sabata, sa ny manao ratsy?” Ny sabata dia fanomezana nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona, andro iray amin’ireo fito, hitsaharany amin’ny asa fanaony. Nametrahan’ny fariseo fepetra maro ny momba ny sabata, ka nanjary sarotra ny nanaja azy, hany ka tsy maintsy nampahatsiahy i Jesoa hoe: “Ny Sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona ho an’ny Sabata” (Marka 2. 27). Nampalahelo ny Tompo io fombafomba tafahoatra io. Nojereny tam-pahatezerana ny manodidina Azy. Ny rivo-pankahalana teo nefa dia tsy nanakana Azy tsy hiteny tamin’ilay lehilahy, hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Dia sitrana ilay tanana. Teo no ho eo ny fariseo sy ny Herodiana dia niray tetika hanohitra an’i Jesoa, mba hamonoana Azy! Nefa dia tanana efa tsy niasa intsony no nanjary hahasoa, indrindra raha anompoana ny Tompo.

Nasain’i Simona i Jesoa, ka nankany an-tranony niaraka tamin’i Jaona sy Andrea (Marka 1. 29-31). Voan’ny tazo ny rafozambavin’i Simona. Inona no hatao? “Niaraka tamin’izay dia nilaza azy taminy (tamin’i Jesoa) izy ireo.” Rehefa nanatona i Jesoa dia nandray ny tanan’ilay marary ary nanarina azy; teo no ho eo, dia afaka ny tazo. Ilay tanana nahamay teo noho ny tazo, nefa tonga sitrana, dia hampisaina ho Azy sy ny olony: “Ka dia nanompo azy (ireo) izy”, hoy i Marka (1. 31) sy Lioka (4. 39); … “Nanompo Azy (ravehivavy)”, hoy i Matio (8. 15).


3.2. Fampianarana ara-panahy

Mihaino — miteny — miasa.

Tsy afaka niteny ilay moana raha efa tsy nihaino, aloha. Tsy afaka niasa ilay tanana raha efa tsy nositranin’i Jesoa, aloha.

a. Ny sofina


Ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra” (Isaia 50. 4-5). Ireo andininy ireo dia mampiseho amintsika ny Tompo Jesoa tenany: tsy tokony ho modely ho antsika ve Izy? Nifoha taloha lavitra ny hiposahan’ny andro Izy, mba hitokana hiresaka amin’ny Rainy (Marka 1. 35). Tsy hahitam-boka-tsoa ve ny manokana 1% amin’ny andro (fahefatr’adiny iray amin’ireo enina amby sivifolo!), na mihoatra kely noho izany, mba tena hihainoana, isa-maraina, amin’ny alalan’ny Teniny, izay lazainy amintsika ho an’ny tontolo andro, sy mba hivavahana Aminy? I Mosesy, sorena matetika tamin’ny fitondrana vahoaka tsy nitsaha-mimonomonona sy mitaraina, dia niditra tao amin’ny fahanginan’ny tranolay fihaonana, ka “nandre ny feo miresaka aminy”, tao; ary “dia niteny taminy Jehovah” {Nomery 7. 89 — Soratanana firaketana hafa: “dia niteny tamin’i Jehovah izy”, nony avy eo (fanamarihan’ny mpandika teny). Jereo ilay bokikely “Ora iray miaraka amin’i Jesoa”.}.


Ny faniriana isa-maraina hoe hifoha mba hihaino, dia mahatonga ao am-bava ny teny ilaina mba “hampatanjaka izay reraka” (Isaia 50. 4), ary indrindra, mahatonga hankatò, tsy hikomy na hihemotra hiala rehefa apetraky ny Tompo eo anoloantsika ny eritreriny (and 5).


Amin’ny fiafaràn’ny fanoharana momba ilay mpamafy, dia manampy i Jesoa hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino” (Matio 13. 9). Mbola averiny izany fampirisihana izany, aorian’ny fanazavàny ny momba ny tsimparifary (and 43). Ary nony niseho tamin’i Jaona amin’ny maha-Mpitsara Azy ny Tompo, dia niteny azy hanoratra ho an’ireo fiangonana fito tany Azia, ka tamin’izany no nanehoany tamin’ny faminaniana ny tantaran’ny Eglizy et an-tany. Notsipihina isaky ny fiafaràn’ny taratasy tsirairay ny hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” (Apokalypsy 2 sy 3). Fampirisihana ho an’ny isambatanolona, ao amin’ny Isaia; ary ho an’ny daholobe, ao amin’ny Apokalypsy.


Mbola io fampitandremana io ihany koa no amaranan’ny Tompo ny Lioka 14. 35. “Ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota, nanatona hihaino an’i Jesoa”, satria tafalatsaka tao am-pon’izy ireo izany fampitandremana izany (15. 1). Fa ny mpanora-dalàna sy ny fariseo kosa dia nimonomonona, satria tsy tiany handray olona toy ireo sy hiara-misakafo amin’izy ireo i Jesoa. Ireo olona ireo no nahazo ny tombontsoa goavana, nandre avy tamin’ny vavany ireo fanoharana telo izay votoatin’ny Filazantsara. Koa tsy naleo ve nanatona Azy?


Mihaino ny fampianarany ny sofina, ary mahatsikaritra koa ny lalana itarihany: “Na mivily ho amin’ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano” (Isaia 30. 21). Amin’ireo safidy lehibe eo amin’ny fiainana, dia tena ilaina sy sarobidy tokoa ny maka fotoana, na ora maromaro aza, raha ilaina, mba “hamela Azy hiteny”. Misalasala ny tena na hiankavia na hiankavanana, eo amin’ny fianarana, eo amin’ny fifidianana vady, na trano, na manoloana olana hafa; ary indrindra, amina fanompoana apetraky ny Tompo eo anoloantsika. Toy inona ny fankasitrahana, rehefa mahare ilay Feo miteny hoe: Ity no lalana. At aoriana, rehefa manao jery todika, dia mahazo antoka fa notarihin’ny Tompo tamina lalana tsara, ka tsy iharan’ny fanakianana natao tamin’ny mpianany, hoe: “Manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo?” (Marka 8. 18).


Eo anilan’ny Mpanjaka ny vady, ary miteny ilay Feo hoe: “Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao… dia miankohofa eo anatrehany” (Salamo 45. 10-11). Ahoana moa no hahazoana mitsaoka ny Tompo, raha tsy efa nihaino ny feony, aloha, raha tsy nianatra “nijery” Azy tao amin’ireo pejin’ny filazantsara sy ireo tandindona ao amin’ny Testamenta Taloha (Lioka 24. 27), raha tsy nanongilan-tsofina amin’ny fampianaran’ny Teniny ao amin’ireo epistily? Ny fanompoam-panahy atao amin’ny Ray (Kolosiana 1. 12), sy ny fitsaohana Ilay tia antsika sy nanasa antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, no fanompoana lehibe indrindra, ho an’ny mpino, et an-tany. Io dia santatr’ilay fanompoana mandrakizay manodidina ny sezafiandrianana (Apokalypsy 6).


b. Ny vava

Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10. 9). Manaiky amin’ny fitondràntenako, ary koa amin’ny teny lazaiko, fa Jesoa no Tompoko; mino tanteraka ao am-poko fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy, “natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4. 25): izany no manome antoka hoe voavonjy aho, antoka miorina amin’ny Teny.

Rehefa asain’Andriamanitra miresaka an’i Kristy sy ny Filazantsara isika, mazàna, dia maneho fanoherana.
Tsy te handeha tany Egypta i Mosesy, hangataka amin’ny Farao ny anafahany ny vahoaka amin’ny fanandevozana: “Olona tsy mahay mandaha-teny aho, … votsa vava sy miadam-piteny” (Eksodosy 4. 10). Inona nefa no navalin’i Jehovah azy? “Iza moa no nanao ny vavan’ny olona? ... Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.”
Mitovy amin’izany ihany koa ny niseho tamin’i Jeremia, fony izy tovolahy
{Jereo ireo bokikely “Mosesy, lehilahin’Andriamanitra” sy “Jeremia mpaminany”}: “Tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza” (Jeremia 1. 6). “Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.” Dia nandeha i Jeremia: na dia teo aza ireo fanenjehana rehetra nahazo azy, dia tsy vitany ny nitana ireo teny izay tonga toy ny afo nirehitra tao am-pony (20. 9).

Norahonan’ny synedriona ireo apostoly, ka nony afaka, dia niara-nangataka tamin’ny namany tamin’ny Tompo, mba homeny azy “ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra” (Asa 4. 29). Ary ilay apostoly lehibe dia nangataka tamin’ny Efesiana mba hivavaka, “mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko” (6. 20).

Inona moa no soa azo amin’ny filazana ny hafatr’Andriamanitra, raha mbola tsy ao am-po aloha izany, fa ao an-tsaina fotsiny? Jesoa tenany mihitsy no nilaza izany: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava” (Matio 12. 34). Mba hahatonga izany, dia tsy maintsy efa “mpihevitra” manokana teo amin’ny Tompo, mba ho afaka manambara ny teniny. Nataon’ireo mpaminany maro tamin’ny andron’i Jeremia an-tsirambina izany: notoheriny ny faminanian’i Jeremia, ary nolambolamboiny ny vahoaka fa tsy nampitandremany: “Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy; tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy” (Jeremia 23. 21).

Tsy tsara manao kabary lavareny, indrindra ao an-tranon’Andriamanitra, ary mainka moa raha rahalahy mbola tanora fanahy! “Raha mankao an-tranon’Andriamanitra ianao, … aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao” (Mpitoriteny 4. 17—5. 1). Tsindrian’i Jakoba izany: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny” (1. 19). Ilaina fatratra ny mandanjalanja: andaniny, mifehy tena amin’ny teny, amin’ny vavaka; ankilany, tsy mangina, fa miteny malalaka kosa aza, rehefa tena tarihin’ny Tompo hanao izany.

Naleon’ny apostoly nanao teny dimy fantatry ny sainy, mba hampianarany ny fiangonana koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra (1 Korintiana 14. 19). Ary amin’ny fifandraisana eo amin’ny samy isambatanolona: “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15. 23). Tombondahiny lehibe mihitsy ny mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra, mba ho afaka manonona andininy iray tandrify, ho an’izay misaona, na ory, na misalasala; ary koa amina taona vaovao, amina fiovana asa, na amina tranga iray manan-danja eo amin’ny fiainana.

d. Ny tanana

Ny apostoly dia nampirisika mba “hiasa amin’ny tanana”; tsy hoe manao asa tanana, fa asa misy vokany, ahafahana mamelona ny tena sy ny fianakaviana, ary manome ho an’izay tsy manana (1 Tesaloniana 4. 11; 2 Tesaloniana 3. 10-12; Efesiana 4. 28). I Paoly tenany dia nanome ohatra amin’izany. Raha nanao veloma ireo loholona tao Efesosy izy, dia nampiseho ny tanany, izay feno kitro angamba, noh izy mpamboatra lay: “Fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako, sy ny niaraka tamiko, izay nilainay. Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra, fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray’” (Asa 20. 34-35).

Ny Tompo koa, noho ny fahasoavany, dia mety hanome antsika anjara fanompoana ao amin’ny sehatra ara-panahy (2 Korintiana 4. 1). Mety ho asa ilain’ny hafa izany, ary tokony hahatsiaro isika fa Azy toy ny andevo. Tsy ho mpanjakazaka (1 Petera 5. 3), fa “mpanampy amin’ny fivoizana” (1 Korintiana 4. 1) {Jereo ny bokikely “Mpanompon’i Kristy”.}. Ny “fanompoana” lehibe indrindra dia mbola ny fanompoam-panahy itsaohana Azy ihany (Hebreo 9. 14), izay iantsoana ny mpino rehetra (1 Petera 2. 5). Raha namely ny tafiotra, dia nisehoa-na anjely ny apostoly, anjelin’ilay Andriamanitra “Tompoko (mpanompony aho) sady tompoiko (itsaohako)” (Asa 27. 23), hoy izy.

Na inona na inona asa fanompoana atao, dia asaina isika mba hanao izany “amin’ny sitrapo” (an-kafaliana) (Efesiana 6. 7) sy “amin’ny fanetrentena rehetra” (Asa 20. 19).

4. IREO MALEMY (mararin’ny paralysisa)

4.1. Ireo tantara


a. Nampidirina avy teny amin’ny tafo (Matio 9. 2-7; Marka 2. 3-12; Lioka 5. 18-26)


Tao “an-tanànany” i Jesoa. Vahoaka marobe no nanodidina Azy. Nisy olona efatra nanatona Azy, nitondra lehilahy malemy iray, nefa tsy nisy nisahirana hanome lalana azy ireo ny olona teo. Araka ny voalaza amintsika, dia nanesoran’izy efa-dahy ireo ny tafo, ary rehefa voasokatra, dia nampidininy teo anoloan’i Jesoa ilay fandriana kely nandrian’ilay mararin’ny paralysisa. Tsy toy ny tamina tranga sasany tsotsotra, hoe “Nentina teo Aminy… Nangatahina taminy”. Nila hery be izy efa-dahy, nitondra ilay marary hatrao an-trano; tsy kivin’ny tsy nahafahany niditra; ary farany, nampiakatra azy teny amin’ny tafo, hampidinana azy teo anoloan’i Jesoa. Ary i Jesoa, “nony nahita ny finoan’ireo”, dia niteny tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe voavela ny helony. Nanana izany fahefana izany “tet ambonin’ny tany” ny Tompo (Marka 2. 10). Tsy famelàn-keloka ho mandrakizay tsy akory izany, fa, raha ny marimarina kokoa, dia famelàn-keloka amin’ny maha-mpitondra ny fanjakana Azy: mety ho vokatry ny fahotana goavana iray na maromaro io fahalemena io.


Mieritreritra ao am-pony ireo mpanora-dalàna. Heveriny fa miteny ratsy an’Andriamanitra i Jesoa, satria Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka. I Jesoa, Izay nahita ny finoan’ireto naman’ilay marary, dia mahita koa ny eritreritr’ireo olona ireo (Matio 9. 4). Fantatr’i Jesoa tao an-tsainy fa mieritreritra anakampo izy ireo. Nefa tsy niteny na inona na inona akory ireo mpanora-dalàna ireo; fa Andriamanitra mahalala ny ao am-po, tsy misy zava-miafina eo anoloany. “Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ka mandehana?” Na ny iray na ny iray dia samy tsy misy vitan’olombelona, na iza izy na iza. Haseho ny porofo fa manana fahefana avy amin’Andriamanitra Ilay teo afovoan’ireo vahoaka ireo: “Lazaiko aminao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.” Nasehon’ilay malemy ny finoany, amin’ny nitsanganany niaraka tamin’izay; dia nody tany an-tranony izy, nankalaza an’Andriamanitra. Tsy nisaotra toy ilay boka fahafolo izy, fa nankalaza an’Andriamanitra noho io zava-mahagaga io. Nihataka ny vahoaka, hanome lalana ilay marary nanehoan’i Jesoa ny fahefany. Tamin’ny nentin’ireo namany ilay malemy mahantra, dia tsy nisy nisahirana ho azy, fa mainka aza nanakana ny fanatonany an’i Jesoa ny olona. Isika ve fanampiana sa sakana ho an’ireo olona te hanatona an’i Jesoa?


b. Ny mpanompon’ilay kapiteny (Matio 8. 5-13; Lioka 7. 2-10)

Ny mpanompon’ilay manam-boninahitra romana dia “mararin’ny paralysisa ka mijaly loatra” (Matio 8. 6). Ilay kapiteny dia nihevitra fa tsy mendrika hanatona an’i Jesoa (Lioka 7. 7); loholon’ny Jiosy no nirahiny nankany Aminy. Ankasitrahin’ireo loholona ireo ny fikarakaràn’ilay manam-boninahitra romana ny firenen’izy ireo, satria izy mihitsy no nanorina ny synagoga ho azy ireo, ary heveriny fa mendrika ny hovalian’i Jesoa ny fangatahany (Lioka 7. 4). Niaraka tamin’ireo loholona i Jesoa. Rehefa nanakaiky ny tranony i Jesoa, dia naniraka namana ilay kapiteny, hilaza Aminy hoe tsy mendrika ny hidiran’ny Mpamonjy ao ambany tafontranony izy. Ampy ny milaza “teny iray”, dia ho sitrana ilay mpanompony. Manam-boninahitra iray no miteny amin’ny iray amin’ireo miaramilany hoe: Mandehana, dia mandeha izy; raha milaza amin’ny iray hafa izy hoe: Avia, dia avy izy; ary raha miteny amin’ny mpanompony izy hoe: Ataovy izao, dia manao ilay mpanompony.
Koa mba manao ahoana isika, eo anoloan’ny Tompo? Vonona lalandava ve isika handeha rehefa lazainy hoe: Mandehana? Mandeha mitondra fanampiana ho an-dRanona na Ranona. Mandeha mamangy ar. Mandeha mamonjy fivoriana. Hiteny Izy indraindray hoe: Avia. Avia hitokana irery miaraka Amiko, midira ao an’efitranonao, arindrino ny varavarana; mitokàna ianao, dia hiresaka aminao Aho. Manentsin-tadìny ve isika? Ary raha milaza Izy hoe: Ataovy izao, vonona ve isika ny hanatanteraka izany?

Nony nahare ny tenin’ilay kapiteny i Jesoa, dia “gaga” at aoriana ilay tovolahy manankarena izay tsy hanaraka Azy ihany, tamin’ny farany. Tsy nahita finoana lehibe toy izany Izy, na dia tao Isiraely aza. Nony tafaverina tany an-trano ireo iraka, dia nahita fa salama tsara ilay mpanompo. Ho afaka mandeha amin’izay izy, ary ho afaka hanompo ny tompony indray.

d. Ilay malemy tao Betesda (Jaona 5. 5-9)

Nandritra ny valo amby telopolo taona io lehilahy io dia nandry teo afovoana marary marobe, nanantena ny mba ho tonga voalohany ao anatin’ilay farihy rehefa nohetsehina ilay rano. Tsy nanana hery hanaovana izany nefa izy. Mafy taminy ny tsy maintsy nilazany tamin’i Jesoa hoe: “Tompoko, (...) tsy mba misy olona handroboka ahy.” Tsy nangataka zavatra tamin’i Jesoa ity lehilahy ity. Tsy nahafantatra Azy akory (and 13). Nefa noho ny teniny hoe: “Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana”, dia tsy nihambahamba izy; niaraka tamin’izay izy dia sitrana, nitondra ny fandriany ary lasa nandeha. Naneho ny tenany taminy i Jesoa tat aoriana, nony nahita azy tao an-tempoly (and 14).

Fanehoana tsara ny fampianarana homen’ny Tompo izany: ao Aminy ny herim-piainana: “Tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka, nomeny hanana fiainana ho Azy” (and 26).


4.2. Fampianarana ara-panahy: Mandehana

Izay olona nanatona an’i Jesoa ary nandray Azy ho Mpamonjy, olona tsy afaka nanao na inona na inona mba hankasitrahany azy, dia tonga “olom-baovao” (2 Korintiana 5. 17). Miova ny fandehan’ny fiainany. Miova tsy toy ny taloha mihitsy intsony ny fitondràntenany, ny fihetsiny, ny fandaniany ny fotoanany, ireo zavatra mahaliana azy. “Fahasoavana no namonjena azy, amin’ny finoana”, ary fantany fa “tsy avy aminy izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra.” Tsy afaka nanao “asa mba hamonjena azy” izy. Ankehitriny nefa izy dia efa voavonjy, “voaforona tao amin’i Kristy Jesoa”, mba handeha eo amin’ny “asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo” (Efesiana 2. 8-10).

Tsy “handeha” tahaka ny fandehan’ny jentilisa intsony ny mpino, … tsy mahalala ny fiainan’Andriamanitra… hanao izay fahalotoana rehetra (Efesiana 4. 17-19). Hifangarika amin’ny fiainan’ireo namany eo amin’izao tontolo izao ny an’ilay olom-boavotra; ho “gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy (izy) amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany” (1 Petera 4. 4). Tsy maintsy ekena io fahasamihafana ifotony io. Sarotra izany, indrindra ho an’ireo tanora miohatra amin’ny namany eo amin’izao tontolo izao sy ireo sakaizany fahiny. Izany nefa no lalan’ny Tompo: “Mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filàn’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra” (1 Petera 4. 2).

Ny “fandeha” dia iombonana ihany koa. Nantsoina “ho tena iray (ho vatana iray)” isika. Ny zava-dehibe, izany, dia ny “handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo” (Efesiana 4. 1-2). Tsy vita izany, raha tsy eo ny fanetrentena feno sy ny fahamoram-po, miaraka amin’ny faharetana ary entanin’ny fitiavana. Tsy hoe manorina firaisana, amina fifanarahana amin’ny lohahevitra rehetra; fa miezaka hihazona “ny maha-iray ny Fanahy” (1 Korintiana 12. 13), amin’ny alalan’ny fehim-pihavanana (Efesiana 4. 3). Ny tanjon’ny fanompoana dia ny hitarika ireo mpiombona amin’ny tenan’i Kristy “ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe” (Efesiana 4. 13).
Takela-kazo fisaka atsangana no nanaovana ny rindrin’ny tabernakely (Eksodosy 26.
15-30). Ny tsirairay amin’izy ireo dia nisy fanambaniny volafotsy, izay tena mampidina ambany be ny ivonkery mifanintona. Nefa raha nisy rivotra mahery, dia ho nianjera mora foana ireo takelaka ireo. Koa nasiana barany dimy ireo hazo fisaka mitsangana, mba hampiray azy ho rindrina mafy sy mifampitohy tsara. Ireo barany dimy ireo dia noharina amin’ny toetra dimy soritan’ny apostoly, izay ilaina mba hiainana ny tena firaisana.

Avy eo, ao aoriana kely, dia misy ilay fampirisihana hoe: “Mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo” (Efesiana 5. 2). Ny fahatsapana ny fitiavana tsy manam-petra omen’ny Tompo Jesoa, Izay nitia antsika toy ny nitiavan’ny Ray Azy ary nanolotra ny tenany hamonjy antsika, no fanoitra ahafahantsika mandeha amin’ny fitiavana: fitiavana Azy aloha, voalohany indrindra, nefa koa fitiavana ireo rahalahintsika.

Zanaky ny mazava isika, ka antsoina mba “handeha” araka izany (5. 8). Io fahazavana io no hampiharihary ny zavatra rehetra: ireo fahadisoantsika, tsy azo lavina izany, fa ny an’ny hafa koa! Inona no vokatry ny fahazavana? “Fahatsarana rehetra sy fahamarinana ary fahitsiana!” Raha isika, dia ho nataontsika lohalaharana ny fahitsiana, izay vao ny fahamarinana, ary farany ny fahatsarana. Fa nataon’ny Fanahin’Andriamanitra ho lohalaharana ny fahatsarana, saingy tsy manala na inona na inona amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana izany.
Mora ny miampanga olona, tsy mandalina na marina ny iampangana azy na tsia, tsy mijery ny fototry ny zava-misy: dia samy tsy ho tratra na ny fahamarinana na ny fahitsiana. Fa raha nanana ny toerana ambony indrindra ny fahatsarana, dia tsy ho nisy fiampangana avy hatrany! Ny atao koa hoe mandeha amin’ny fahazavana, dia ny “mamantatra izay ankasitrahin’ny Tompo” (and 10). Tsy hoe “mandeha” araka izay itarihan’ny filàna, fa mandinika lalina: Ankasitrahin’ny Tompo ve ny zavatra kasaiko hatao?

Noho izany dia manampy ny apostoly hoe: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo” (5. 15), ary tandremo amin’ny antsipiriany. Tsy vitan’ny hoe manaraka ny Tompo amin’ny ankapobeny, fa mamela Azy hanazava ireo safidy atao isan’andro eo amin’ny fiainantsika.


Ny fandeha toy izany dia tsy vita raha tsy “amin’ny finoana” (2 Korintiana 5. 7). “Tsy mitoetra any amin’ny Tompo” isika. Fa rehefa “mitoetra” any Aminy isika, dia tody “any amintsika”. Ankehitriny isika dia mandeha amin’ny finoana, fa tsy amin’ny fahitana. Tsy ilay finoana mamonjy no resahina eto, na ny fampianarana kristiana, fa ilay finoana iainana andavanandro, izay miantehitra Aminy, izay mahatonga antsika hiara-miaina Aminy ny tranga rehetra, na kely na lehibe, izay tsy maintsy atrehintsika.


Amin’ny fampianarana ifotony, dia ampirisihina isika hoe: “Mandehana araka ny Fanahy” (Galatiana 5. 16), mba tsy hahatanterahantsika ny filàn’ny nofo {Jereo R. B. “Ny epistily ho an’ny Galatiana” sy ny bokikely nosoratanay.}. Ny filàn’ny nofo, izay mbola ao amin’ny mpino ihany, dia mifanohitra amin’ny an’ny Fanahy; ary ny tsara, izay tadiavin’ny Fanahy, dia tsy tian’ny nofo. Raha mandeha araka ny Fanahy isika, dia tsy hanao izay zavatra tadiavin’ny nofo (and 17). Ao anatintsika ny Fanahy, nefa antsoina isika —ary andraikitsika izany— mba “hamono ny asan’ny tena amin’ny Fanahy” (Romana 8. 13). Ao ny hery; anjarantsika ny mampiasa azy mandritra ny fiainantsika manontolo.


Farany, manoloana ireo “izay eo ivelany”, dia antsoin’ny Teny isika hoe: “Mandehana amin’ny fahendrena …, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa” (Kolosiana 4. 5). Tsy hoe hampideradera amin’ny tsy antony ny Filazantsara, na hanorisory amina teny diso toerana ireo olona mba tiantsika hoentina eo amin’ny Tompo. Fa miaina eo imasony am-pahendrena, mahalala onony, mahay mandanjalanja; ary manararaotra izay fotoana mety, rehefa mitranga izany: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra” (and 6). Mila ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny Fanahiny hiasa ao anatintsika isika, vao hahatanteraka izany fandeha izany.


Raha nanasitrana lehilahy malemy iray i Petera, dia afaka niteny taminy hoe: “Mitsangàna, ka amboary ny fandrianao” (Asa 9. 34). Tsy hoe: “mandehana”, fa hoe: “ianao mihitsy no mamboara ny fandrianao.” Valo taona io lehilahy io no notsaboin’ny fianakaviany na ny namany, izay voatery namboatra ny fandriany; ary angamba izy io tsy nikarakara zavatra antsipiriany maro samihafa, satria nalemy ka tsy afa-nanao izany. Ankehitriny izy dia manana fiainana vaovao, ka asaina manao samirery ny fandriany. Tsy miankina amin’ny hafa intsony, fa mandray ny andraikiny. Azo lazaina ho toy ny miala eo amin’ny maha-zatovo ho amin’ny maha-lehilahy lehibe mamelon-tena.
Nikely aina ireo ray aman-dreny kristiana hitaiza ny zanany, hiaro azy amina loza maro isan-karazany, hitarika azy hanaraka ny Tompo. Rehefa mihalehibe ny tovolahy na ny tovovavy, dia antsoina hitombo fahatsiarovan-tena ho tompon’andraikitra eo imason’Andriamanitra, amin’izay ataony. Tsy hoe manadinodino ny fananarana sy ny fanampian’ny ray aman-dreniny, tsy akory, izy ireo, fa kosa tonga tompon’andraikitra amin’ny fomba fiainany, fiasany, fialam-boliny, fitondrantenany, hatramin’ny “fandriana”, izay milaza ny asa fivelomana, ary indrindra indrindra, ilay fanapahan-kevitra faratampony eo amin’ny fiainana an-tany, dia ny fanambadiana!


Tsy tsara raha irery ralehilahy”, hoy Andriamanitra, ary ampiany hoe: “Dia hanaovako vady sahaza ho azy izy” (Genesisy 2. 18). Ny fanambadiana dia fandaminana napetrak’Andriamanitra, fandaminana nankatoavin’Izy Tompo Jesoa tenany, na dia ambaniana aza ankehitriny. Ilay mpanompon’i Abrahama, tamin’ny vavaka nataony (Genesisy 24), dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hanampy azy hahafantatra “(izay) voatendrinao” ho an’i Isaka. Azo antoka fa ny tovolahy mpino dia hanome lanja ny hevitry ny ray aman-dreniny, na ny namany efa manana traikefa; tsy hamato-tena tsy am-piheverana, na amina fihetseham-po am-boalohany fotsiny. Ny mifanohitra amin’izany aza, hataony antom-bavaka izany, mandritra izay fotoana rehetra ilaina. Fantany fa misy vady any, notendren’ny Tompo ho azy; ny andraikiny dia ny mamantatra azy io, mba hanambadiany “ao amin’ny Tompo” (1 Korintiana 7. 39). Amin’izay izy ireo dia ho afaka hiara-mandray avy Aminy ny fifaliana rehetra homeny sy ny fizahàn-toetra havelany hiseho.



5. MANOME BE DIA BE I JESOA


Hatreto isika dia nijery fahagagana fanasitranana, izay nisehoan’ny hery sy ny famindràmpon’ny Tompo mamaly filàna iray. Fa Izy koa dia Ilay manome, sady miteny amin’ny ondriny hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10. 10). Ny Romana 5. 17 dia milaza amintsika ny momba ireo olona “mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezana”.


Ny fitantarana ireny “fahagagana mampanam-be” ireny dia mifamatotra lalina amin’ny fampianarana ara-panahy azo tsoahina avy aminy. Noho izany dia tsy havahantsika intsony, eto, ny lafiny ara-tantara sy ny fampianarana ara-panahy.


5.1. Ny fampakaram-bady tao Kana (Jaona 2. 1-11)

Neken’i Jesoa ny fanasana hanatrika ilay fampakaram-bady niaraka tamin’ny mpianany. Hainy ny “miara-mifaly amin’izay mifaly” (Romana 12. 15). Tao Kana dia nisy fotoana nahalany ny divay (ny fifaliana). Nahoana? Tsy ambaran’ny Teny ny antony.
Foana ireo siny vato enina (and 6) izay tokony ho nisy ny rano fidiovana! Nasain’i Jesoa nofenoina ireo, ary novany ho divay ny rano. Tsy misy tena fifaliana raha tsy misy fanadiovana. Ho an’ny mpino, izany fanadiovana izany dia mifototra indrindra amin’ny ran’i Kristy, ary ny fampiharana azy dia ny fiekena ireo fahotana (1 Jaona 1. 7, 9). I Jesoa irery ihany no afaka manome io tena fifaliana io: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo” (Jaona 15. 11). Fifaliana vokatry ny fahatsapana ny fitiavan’ny Tompo Jesoa, Izay nitia antsika toy ny nitiavan’ny Ray Azy, ary vokatry ny fankatoavana ny didiny koa, mba hitoerana ao amin’ny fitiavany (Jaona 15. 9-11).


5.2. Ireo fampitomboana ny mofo


a. Ny fampitomboana voalohany

Io no hany asa mahagaga samy notantarain’ireo evanjelista efatra (Matio 14. 15-21; Marka 6. 35-44; Lioka 9. 12-17; Jaona 6. 5-15).

Nony nahita ireo vahoaka nanodidina Azy i Jesoa dia nangoraka, fa ny mpianatra kosa nampiseho ny fitiavan-tenany: “Ravao ny vahoaka” (Matio 14. 14-15). Tian’ny Mpampianatra hampianarina azy roa ambin’ny folo lahy fa tsy tokony handeha ireo; tompon’andraikitra ny mpianatra amin’ny fanomezana hanina azy ireo. Tokony handeha hividy mofo-na denaria roanjato ve izy ireo? Hoy i Jesoa taminy: “Misy mofo firy any aminareo? Andeha, zahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy, sy hazandrano roa!” Tsinontsinona izany, raha ho an’ireo vahoaka ireo. Nazava nefa ny baiko: Omeonareo hanina izy. “Ento et Amiko izany”, hoy ny Tompo. Dia nasaina nipetraka nanao antokony dimampolo sy zato avy ny olona. Noraisin’i Jesoa ireo mofo dimy sy hazandrano roa, niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra, ary novakìny ny mofo dia natolony ny mpianatra mba hozarainy amin’ny olona. Isaky ny miverina eo amin’ny Mpampianany izy ireo, dia misy be dia be hatrany ny mofo; voky ireo lehilahy dimy arivo; ho an’ny mpianatra, dia nisy ambiny roa ambin’ny folo harona feno.

Raha misy fotoana ahazoana manome sakafo ara-panahy ho ana zaza, na tanora, na ho an’olona efa zokinjokiny kokoa, dia hahatsiaro mandrakariva ny mpanompo fa tsy hahavita izany. Nefa ampianarin’i Jesoa isika hitondra eo Aminy izay efa azontsika taminy, aloha. Zavatra bitika izany, miohatra amin’ny zavatra ilaina, nefa azony ampitomboina, raha entintsika eo Aminy miaraka amin’ny vavaka sy ny fandinihana ny Teniny. Haveriny amintsika mitombo be dia be izany, ho an’ireo olona nankinina tamintsika: angamba vondrona Sekoly Alahady, na tanora, na, at aoriana, ireo filàn’ny fiangonana eo an-toerana, arakaraka izay hitondran’i Jesoa azy, amin’ny fitarihan’ny Fanahy.

Tamin’ny voalohany ny mpianatra dia tsy nanana afa-tsy mofo dimy; tamin’ny farany izy ireo dia nanangona roa ambin’ny folo harona: “Izay mandena dia mba holemana kosa” (Ohabolana 11. 25). Resy lahatra ny amin’ny tsy fahavitany izany ireo mpianatra, ka namaly ny fangatahan’ny Mpampianatra azy: “Ento et Amiko izany”. Naverin’ny Tompo taminy be dia be ilay kely nentiny. Raha ory ilay ray momba ny zanany, dia nanaiky ny fanasana nataon’i Jesoa hoe: “Ento at Amiko izy” (Matio 17. 18). Nositranin’ny Tompo ilay zaza, ary “natolony tamin-drainy indray” (Lioka 9. 42)!

b. Ny fampitomboana faharoa (Matio 15. 32-39; Marka 8. 1-9)


Mitovy ihany ny zava-nitranga, saingy ireo vahoaka dia efa nijanona telo andro teo amin’i Jesoa ary tsy nanana na inona na inona hohanina. Tsy te handefa ny olona Izy, nefa namaly ny mpianatra hoe: “Aiza no hahazoana mofo at an’efitra, hahavoky ireto olona ireto!” (Marka 8. 4). Dia tsy nisy lesona notsoahin’izy ireo mihitsy ve tamin’ilay fampitomboana voalohany? Tsy tsaroany ve fa afaka namahana dimy arivo lahy i Jesoa?


Eto indray dia tsy maintsy nentiny teo Aminy izay kely nananany: mofo fito. Rehefa avy nisaotra i Jesoa, dia namerina izany tamin’izy ireo; saingy nampitomboiny be dia be lavitra io, mba haroson’izy ireo amin’ny olona. Milamina toy ny tamin’ny voalohany ny zava-drehetra. Mipetraka ny olona; tsy misy taitaitra, tsy misy mikotaba. Am-pilaminana no ahazoan’ny tsirairay anjara amin’ny fananam-be omen’ny Mpampianatra. Dia mbola nanangona fito sobiky ihany ny mpianatra, mba ho azy ireo: be lavitra noho ireo mofo fito nananany tany am-boalohany.


Fotoana kely tat aoriana, nefa, nanadino ny nitondra mofo izy ireo nefa efa teny ambony sambo, ka very hevitra noho izany fanadinoany izany. Nomen’i Jesoa tsiny izy ireo, hoe: “Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo? Raha ny mofo dimy no novakìko ho an’ny dimy arivo, firy harona moa ny sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ny folo. Ary raha ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobiky moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?” (Marka 8. 18-21). Ny fananam-be efa nozarain’ny Tompo Jesoa dia tsy nahatonga azy ireo hahafantatra, satria “efa mafy ny fony” (Marka 6. 52).


d. Ilay fampitomboana voalohany ao amin’ny Jaona 6

Fampianarana hafa tanteraka no atolotr’i Jesoa ao amin’ity filazantsara ity. Nozahan-toetra mivantana i Filipo, ka namaly fa na dia mofo vidina denaria roanjato aza, tsy ho ampy akory hananan’izy rehetra kely avy. Nilaza i Andrea fa misy zazalahy iray manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa. “Fa ho ampy inona moa izany, amin’izao olona betsaka izao?” Ao amin’ny Filazantsaran’ny Zanak’Andriamanitra isika, eto: Izy Jesoa tenany mihitsy no nizara ny sakafo ho an’ireo vahoaka nipetraka teo, fa tsy mba nindrana azy roa ambin’ny folo lahy. Izy ireo kosa manangona ny ambiny, mba tsy hisy ho very. Ny ampitso i Jesoa dia hanatsoaka fampianarana avy amin’io asa mahagaga io, hizahany toetra ny finoan’ireo mpianany (and 66-69).

Ireo vahoaka dia mbola te hihinana mofo sy te ho voky (and 26). Asehon’i Jesoa azy ireo fa ny “hanina mety levona” dia zava-poana, mihoatra amin’ny “hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona anareo”. Te hanao asa izy ireo. “Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.” Iza moa io nirahin’Andriamanitra io, raha tsy Ilay mofo velona Izay “nidina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao”? (and 33). Tsy azon’ny olona izany, nefa nangataka ihany izy ireo hoe: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. Fa notsipihin’i Jesoa hoe: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.”
Inona no atao hoe “mino” Azy? Tsy fanekena ara-tsaina fotsiny, toy ny anekentsika zavatra iray niseho, izay tantarain’olona azontsika antoka. Ny hoe mino, dia ny “mihinana” ilay mofo nidina avy any an-danitra: resy lahatra ao anaty lalina mihitsy fa tonga tet an-tany ny Zanaky ny Ray, tena olona teo anivon’ny olona, saingy natao ho endrika olona, satria tsy misy ota: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy” (and 51).

Tsy vitan’ny hoe niaina tet Izy, fa nanome ny ainy: “Ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao.” Noho izany, “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay.” Ny nofo sy ny ra ambara misaraka ireo dia milaza amin’ny fontsika ny nahafatesan’i Kristy, “Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika”. Tsy sakafo ara-nofo izany: “Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana” (and 63), ka tokony horaisina amina dikany ara-panahy tanteraka. Ny fihinanana ny nofon’ny Zanak’olona sy ny fisotroana ny rany dia manome fiainana, ary indray mandeha tsy miverina izany (matoanteny amin’ny fotoana lasa, tsy voafetra, lazain’ny and 54). Ary antsoina koa isika hihinana ny nofony sy hisotro ny rany isan’andro, mba hitoerantsika ao Aminy, ary Izy ao amintsika (and 56: matoanteny milaza ny ankehitriny).

Ny zavatra rehetra dia homena be dia be avokoa: tsy hisy hanoanana mihitsy — tsy hisy hetaheta — fiainana mandrakizay — fiombonana havaozina lalandava amin’Ilay tonga nofo ka nanome ny tenany ho antsika.

Raha ny marina, dia tsy ny Fanasàn’ny Tompo no aseho amin’ity toko ity; nefa tsy azo lavina fa mifanakaiky amin’izany ny fihetseham-pon’ny mpino, rehefa mandray anjara amin’io tsangambato fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo io izy. Ny mofo sy ny divay dia tsy miova ho vatana sy ran’i Kristy, tsy akory; fa ho an’ny fanahintsika kosa, ara-panahy, ny mofo amin’ny Fanasàn’ny Tompo dia tena ny vatany tokoa, ary asaina isika “hamantatra” izany; ny divay dia tena ny rany tokoa, “firaisana amin’ny ran’i Kristy” (1 Korintiana 11. 29; 10. 16). Tokony homena lanja lehibe tokoa ny fandraisana anjara amin’io Fanasana io, ary tokony hahatsiaro fa “mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena”.


5.3. Ireo jono mahagaga {Jereo H. R. “Simona Petera” sy ny bokikely “Petera sy ny Mpampianatra azy” nosoratanay.}


a. Lioka 5. 4-11


Nijery an’i Petera i Jesoa, teo amoron’i Jordana: “Ianao no Simona, … ianao hatao hoe ... Petera” (Jaona 1. 43). Herinandro maromaro no lasa; nomen’i Simona sehatra i Jesoa hipetraka teo amin’ny sambony, hihataka kely ny tanety ka hampianatra ny vahoaka avy eny. Rehefa nitsaha-niteny i Jesoa, dia nilaza taminy hoe: “Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo, hahazoana hazandrano.” Noho ny tenin’i Jesoa, dia nanaiky ny handatsaka ny haratony ihany ilay mpanjono, izay efa niara-niasa tamin’ny namany nandritra ny alina manontolo, nefa tsy nahazo na inona na inona. Trondro be dia be no azo tao. Natahotra mafy i Simona sy ny namany, nanoloana izany habetsahana izany. Dia niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa i Petera, ka nanao taminy hoe: “Tompoko, mialà amiko fa olo-meloka aho.” Araka ny voalaza, tsy azony ve fa Ilay mahita ny trondro any an-dranomasina dia mahita koa ny fahotana ao am-po? Namaly nefa i Jesoa hoe: “Aza matahotra: hatramin’izao ankehitriny izao, dia olona kosa no ho azonao.” Nampiantsona ny sambokely teo an-tanety ry Petera sy Andrea ary Jakoba sy Jaona, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Azy. Tsy ny haben’ny fahasoavana ve no nahasarika azy ireo hiaraka Aminy?


b. Jaona 21. 1-22


Tao Kana i Jesoa no nanao fahagagana voalohany. Ity kosa ny farany izay tantaraina ao amin’ny filazantsara.


Nijery an’i Simona i Jesoa, teo amoron’ny ony Jordana. Toa io ihany ilay fijeriny taorian’ny nandavan’i Petera Azy (Lioka 22. 61). Tany amin’ny fasana i Petera, nahita azy foana, ary nody tany aminy. Dia nahita azy indray i Jesoa: niseho taminy manokana ilay Tompo efa nitsangana tamin’ny maty (Lioka 24. 34); nohavaozina indray ny fanahin’ilay mpianatra. Teo izy ny harivan’io, nony niseho teo afovoan’ny mpianany i Jesoa (Jaona 20. 19, 26). Mbola tsy feno tanteraka nefa ilay fanarenana.


Nieritreritra ny asany taloha i Petera, ka nanao hoe: “Handeha hanarato aho” (Jaona 21. 3). Voataonany hiaraka taminy ireo namany. Saingy raha tsy eo i Jesoa, dia afaka manarato mandritra ny alina manontolo, nefa tsy hahazo na inona na inona, ary tsy hanan-kohanina! Nisy olona tsy fantatra ter amoron-drano, niteny hoe: Alatsaho ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Hazandrano marobe no azo tao. Ilay lehilahy afaka niteny toy io ve, tsy “ilay Jesoa ihany”, Izay efa nameno ny haraton’izy ireo, telo taona lasa izay? Dia hoy i Jaona: “Ny Tompo ir.” Mbola ny habetsahan’ny fahasoavana ihany indray no nanohina ireo fo. Nirotsaka tao anaty rano i Simona Petera, nankeny amin’ny Mpampianatra azy, izay efa nanomana sakafo ho azy ireo. Niara-nisakafo rizareo.


Taorian’ny sakafo i Jesoa dia niresaka, tsy maimaika, tamin’i Petera hoe: “Simona, zanak’i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?” Efa nilaza mantsy i Petera fa izy dia hanaraka an’i Jesoa hatrany, na dia tsy hanaraka aza ny hafa. Nandositra avokoa izy rehetra, fa izy ninia nanaraka Azy, saingy mbola ratsy noho ny fandosirana indray ny zava-nitranga: nandà Azy izy! Niantehitra tamin’ny fitsaràn’ny Tompo nefa izy: “Ianao mahalala fa tia Anao aho.” Dia hasesin’ny Mpampianatra ankinina aminy ny famahanana ireo ondrikely ary ny fiandrasana sy ny famahanana ireo ondry, izay malalan’ny fony. I Petera no ho fitaovana hahazoana olona telo arivo tamin’ny Pentekosta, dimy arivo andro vitsivitsy tat aoriana… Ny fitiavana ny Tompo no hany antony hidirana amin’ny fanompoana sy hampisy vokany izany, miankina amin’ny Mpampianatra ary tarihin’ny Fanahy.


Tamin’ny faran’ny fiainany ity apostoly efa zokiolona ity dia nanoratra tamin’ireo rahalahiny hoe: “Samia mifanompo, araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra” (1 Petera 4. 10). Ny habetsahan’ny hazandrano azony no nanintona azy hanaraka an’i Jesoa. Io habetsahana io ihany koa no nitondra ho amin’ny fanarenana azy, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Araka ny fangatahan’i Jesoa, dia afaka nampahery ireo rahalahiny izy. Mba tian’i Jesoa fatratra izy ireo hanao ho zava-dehibe ny hampiasa io fananam-be io, “araka ny fanomezam-pahasoavana” nomen’Andriamanitra azy ireo, hampiasa ireo fahasoavana maro samihafa izay an’Andriamanitra ireo, ho fanasoavana ny olona navotany.



6. NY FIZAHÀN-TOETRA


Ato amin’ity toko ity koa, mifampiditra ny tantara sy ny fampianarana ara-panahy, ka tsy hay sarahina ho zana-toko samy hafa.


Ny fizahàn-toetra, voalohany indrindra, dia fitsapana. Milaza amintsika ny Jakoba 1. 12 hoe “voazaha toetra”. Izany dia mampiharihary ny fatokiantsika an’Andriamanitra, na… ny tsy fahampian’ny finoantsika. Mety ho fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra, hifehezany na hanabeazany antsika (Hebreo 12) {Jereo ilay bokikely “Mahavokatra bebe kokoa” nosoratanay.}. Na koa mety hanehoana “ny voninahitr’Andriamanitra”, toy ny tamin’ny nananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty (Jaona 11. 4).


6.1. Ireo tafio-drivotra


a. Matio 8. 23-27; Marka 4. 35-41; Lioka 8. 22-25


Ny tafiotra nitondran’i Jesoa ireo mpianany dia hampivohitra eo anatrehany hoe matoky Azy ve izy ireo sa tsia. Izy tenany no niondrana an-tsambokely, ary nanaraka Azy ny mpianany (Matio 8. 23). Nisy tafio-drivotra mahery, safotry ny alon-drano ny sambokely, fa i Jesoa kosa natory.


Namoha Azy ny mpianany: “Tompoko, vonjeo, fa maty izahay.” Nomen’i Jesoa tsiny izy ireo, noho ny hakelin’ny finoany. Noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka nanjary tony tsara ny andro. Gaga tamin’izany izy rehetra, ka niteny hoe: “Lehilahy manao ahoana re Io?”


Misy zavatra vitsivitsy anampin’ny Marka 4 izany. I Jesoa no nanasa ny roa ambin’ny folo lahy, hoe: “Andeha isika hita ho eny ampita.” Dia nentin’izy ireo tamin’io sambokely io “tamin’izao ihany” i Jesoa, Izay lanaka angamba, satria hatory Izy avy eo, ny lohany tambonina ondana napetraka mpianatra iray antra Azy, teo. Na dia nisy tafio-drivotra aza, dia natory ity olona reraky ny asa nataony tontolo andro: hita amin’izany ny tena maha-olombelona ny Tompontsika. Izy ireo kosa dia natahotra, ka namoha Azy: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao hahafatesanay izao?” Nitsangana Izy ka niteny ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangìna! Mitsahara! Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” Andriamanitra Mpahary no niteny, ka dia nankatò Azy na ny rivotra sy ny ranomasina aza. Ny mpianatra, izay nolazain’i Jesoa hoe “tsy manam-pinoana”, dia nifanontany hoe: “Iza moa Ity?”


Ny tanjon’ny fizahàn-toetra, eto, dia ny hampiharihary na tena matoky marina an’i Jesoa ireo mpianatra na tsia. Ny zava-nitranga dia nampiseho fa kely, na tsy nisy akory aza, ny finoan’izy ireo: “Aiza ny finoanareo?” hoy i Jesoa ao amin’ny Lioka. Mbola tsy fantany foana ve io Ilay arahiny io? Angamba mba nisy fivoarana kely ihany teo amin’izy ireo.


b. Ilay tafio-drivotra faharoa (Matio 14. 22-32; Marka 6. 45-51)


Amin’ity indray mitoraka ity i Jesoa dia hizaha toetra ireo mpianany, tsy dia hoe mba hampisehoana raha matoky Azy izy ireo, fa mba hampianarana azy ireo. Izao no voalaza ao amin’ny Marka 6. 52: “Tsy fantany ny amin’ny mofo; fa efa mafy ny fony.” Nilaina ny fizahàn-toetra, mba hampanakaikezina azy ireo amin’ny Mpampianany.


Noho izany, na ao amin’ny Matio na ao amin’ny Marka Izy dia tsy maintsy “nanery” azy roa ambin’ny folo lahy hiondrana an-tsambo ka hialoha Azy eny ampita. Tsy niaraka tamin’izy ireo Izy. “Niakatra tao an-tendrombohitra Izy, mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.” Efa teny ampovoan-dranomasina ireo mpianany, ary natopatopan’ny onja ny sambokelin’izy ireo, satria notohain’ny rivotra. Tsy maika Izy ny hamonjy azy ireo. Niandry ny fiambenana fahefatra amin’ny alina Izy vao nankeny amin’izy ireo, nandeha teny ambony ranomasina. Raha mba nieritreritra ilay Mpampianany ireo mpianatra, dia ho nahafantatra fa Izy io: tsy misy afaka mitsangantsangana toy izany eny ambony ranomasina. Fa natahotra izy ireo, ka niantsoantso hoe: Matoatoa io. Avy dia niteny taminy i Jesoa hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra {Jereo ilay bokikely hoe “Ny Feon’i Jesoa ao anaty tafio-drivotra”.}.


Nangataka tamin’ny Tompo i Petera, izay kinga foana ny hisehoseho, mba hodidiany hanatona Azy eny ambony rano (Matio 14. 28). Tsotra ny valintenin’i Jesoa: Manatòna. Nanomboka nandeha teny ambony rano i Petera, nefa tsy i Jesoa no nobanjininy, fa ny rivotra nihamafy no hitany, ka natahotra izy, ary dia nanomboka nilentika. Havelan’ny Mpampianatra ao amin’izany toerana hahafaty azy izany ve izy? “Tompo ô, vonjeo aho!”, hoy ilay mpianatra. Naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay i Jesoa, ary nanome tsiny an’i Petera, noho ny hakelin’ny finoany. Niakatra tao anaty sambokely ry Jesoa sy Petera, dia nitony ny rivotra. Ireo olona tao an-tsambo kosa, nidera an’i Jesoa, dia niaiky: “Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!” Nahitam-boka-tsoa ny nandalovana tamin’io tafio-drivotra io, hahatongavana amin’izany fiekena izany.


Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindràmponao, Jehovah ô, no nanohana ahy” (Salamo 94. 18). Tsapa fa ho diso lalana ny tena. Mafy ny fanoheran’ny fahavalo, toy ilay rivotra; ho solafaka ny tena. Nefa raha ny Tompo no tena andrandraina, tsy hamonjy antsika ve ny tanany, toy ny namonjeny fahiny an’i Petera na ny mpanao salamo?


Ao amin’ny Marka 6 dia vao mainka misongadina ny fahasamihafan’ny hoe Jesoa mivavaka ao an-tendrombohitra sy ny sambokely eo afovoan’ny ranomasina (and 47). Avy eny ambony Izy, “nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra”. Tsy toy izany koa ve ankehitriny? Fantatry ny Tompo ny lalana diavin’ny olony tsirairay; fantany izay manahirana ny isambatanolona; ao an-danitra Izy dia “velona mandrakizay hanao fifonana” ho an’“izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany” (Hebreo 7. 25).


Lazain’ny bokin’i Joba antsika, amin’ny vavan’i Eliho mampiasa kisarisary, ny momba ireo tafiotra eo amin’ny fiainana (Joba 36. 29 hatramin’ny 37. 21). Amin’io fitantarana mahavariana io, ny rahona sy tselatra ary kotroka dia maneho ny fizahàn-toetra; ny hazavana kosa, maneho ny firotsahan’Andriamanitra an-tsehatra: “Iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy? ... Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany.
Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany. Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ny faran’ny tany… Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy… Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ny helatra dia ampieleziny; dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo, hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ny tany eran’izao tontolo izao, na alatsany ho famaizana —raha tokony ho an’ny taniny izany— na ho famindràmpo kosa… Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra… Tsy hita ankehitriny ny mazava, izay mamirapiratra any amin’ny rahona; nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.”
Matetika dia tsy azontsika tsara ny lalan’Andriamanitra, nefa afaka mitoky Aminy isika: mandalo ny fizahàn-toetra, ary mamela lanitra misava {Jereo ilay bokikely hoe “Joba” nosoratanay.}.


6.2. Ilay vehivavy nanjoko (Lioka 13. 10-13)


Ho an’io vehivavy io, ny fizahàn-toetra dia tsy mba indray alina ihany, toy ny an’ireo mpianatra nandritra ny tafio-drivotra, fa valo ambin’ny folo taona! Nampanjokoin’i Satana izy, tsy afaka nitraka, na nijery ambony, na nampiakatra ny masony hijery an’i Jesoa. Tsy niantsoantso Azy izy. Firifiry moa ny olona nidonam-pahoriana, sendra ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana, no mitanondrika toy izany ary tsy mba nianatra ny mijery any ambony!


Teo afovoan’ny vahoaka nameno ny synagoga no voatsikaritry ny famindràmpon’i Jesoa ity vehivavy ity. Nantsoiny izy ary nampahereziny tamin’ny teny hoe: “Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao.” Avy eo, toy ny efa nataony imbetsaka, dia nametrahany tanana izy: ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra. Ilay lehilahy boka, ilay jamba, ny rafozambavin’i Petera, ny zanakavavin’i Jairo dia samy nahatsapa io tanana io. Dia “afaka amin’izany fatorana izany” ity vehivavy ity (and 16); ho afaka mijery ambonimbony kokoa noho izay nanjo azy, ary hankalaza an’Andriamanitra.


Maro eo amin’ny fiainana ny fizahàn-toetra mampitanondrika: asa nantenaina nefa tsy azo; fahadisoam-panantenana lalina; saona mavesatra; aretina maharitra. Izy Jesoa irery ihany no afaka manarina sy mampitraka. Efa nodiavin’i Davida izany lalana izany: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika” (Salamo 145. 14).

Sambatra ny fanahy nafahana

Mandroso mankany an-danitra;

Izao aho dia efa mandray anjara sahady

Amin’ilay fiderana mandrakizay.

Fangirifiriana, havizanana na alahelo

Dia tsy manozongozona velively ny finoako.

Ny fizahàn-toetra dia feno

Voka-tsoa feno fitahiana ho ahy.



7. IREO NATSANGAN’I JESOA HO VELONA


Ireo no fahagagana lehibe indrindra nataon’ny Tompo Jesoa. Nisy fananganan-ko velona tamin’ny andron’i Elia sy i Elisa; mbola nisy koa ao amin’ny Asan’ny apostoly. Marina fa ho amin’ny fiainana tet an-tany ihany izy ireny. Nefa ireo izay nataon’ny Tompo, tao anaty trangan-javatra miavaka, dia naneho Azy mazava, mba hanaporofoina indray hoe Iza Izy.


7.1. Ireo tantara


a. Ny zanakavavin’i Jairo (Matio 9. 18-26; Marka 5. 22-24, 35-43; Lioka 8. 40-42, 49-56)


Ny fitantaran’i Marka no ndeha harahintsika {Momba ireo fahasamihafana misy eo amin’ireo filazantsara, dia jereo ilay asasoratr’i Cor. Bruins hoe “The divine Design in the Gospels”.}.


Nisedra tafio-drivotra i Jesoa mba hanafaka lehilahy iray izay nisy demonia maro, teny ampita. Niverina teny amoron-drano andrefana indray Izy. Ny mpanapaka iray tao amin’ny synagoga, i Jairo, izay ampoizina fa efa niandry Azy hatry ny ela, nony nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony ary nitalaho taminy mba hamonjy ny zanany vavy, izay narary efa ho faty. Mba ho avy Izy ary hametra-tanana aminy, hamonjena azy. Maika dia maika izany.


Fa i Jesoa kosa, izay voahodidina vahoaka marobe nanery Azy, dia tsy rototra. Nisy vehivavy iray izay nandeha ra, nanendry ny fitafiany mba ho sitrana; nilana fotoana ny resaka rehetra nataony taminy. Tsapa nitombo hatrany ny fanahian’i Jairo. Raha mbola niresaka tamin’ilay vehivavy i Jesoa, dia nisy olona avy tany an-tranon’ilay mpanapaka ny synagoga, nivantambantana nilaza hoe: “Efa maty ny zanakao vavy. Nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?” Azo tsara an-tsaina, amin’izany fiteny izany, fa mety nomena tsiny fatratra i Jairo nandao ilay zanany efa ambavahoanana, lasa nitady izany Mpampianatra tsy dia fantapantatra izany. Teo no ho eo nefa i Jairo dia nampaherezin’i Jesoa: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.” Nankany an-tranon’ilay mpanapaka ny synagoga Izy, niaraka tamin-dry Petera sy Jakoba ary Jaona —ireo telo lahy tany an-tendrombohitra niovany tarehy sy mbola hiaraka Aminy any Getsemane. Taminy dia tsy maty ilay zaza, fa natory. Nihomehezana Izy, satria fantatra tsara fa efa maty ilay zaza, fa tsy hoe torana vetivety tsy akory.


I Jesoa irery, niaraka tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza sy ireo mpianany telo lahy, no niditra tao amin’ilay efitrano nandrian’ilay zaza, izay angamba maizimaizina. Araka ny lalàna dia maloto izay nikasika faty. Ho an’i Jesoa nefa, dia tsy misy ny fahalotoana. Noraisiny ny tanan’ilay zazavavy, ary teny roa ihany no nolazainy: “Talita komy”, izany hoe: “Razazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.” Niaraka tamin’izay dia nitsangana ilay zazavavy ary nandeha. Roa ambin’ny folo taona izy io.
Raha resahina ara-panahy izany, dia izao: nisy ankizy nentina teo amin’ny Tompo, dia nandray fiainana; afa-mandeha izy, nefa manana andraikitra ireo ray aman-dreniny: “Nasainy nomena hanina razazavavy.” Zavatra tena manan-danja be ny mamahana ireo tanora fanahy vao niova fo, amin’ny Teny sy amin’ny maha-Izy Azy ny Tompo, ary manampy azy ireo handroso miandalana amin’ny fampianarany.


Lioka, izay mora tohina mandrakariva amin’ny zava-drehetra momba ny olombelona, dia nampahafantatra antsika fa zanaka vavitokana io ankizy io, toy ilay lahitokan’ilay mpitondratena tao Naina, sy ilay zaza nositraniny taorian’ny niovany tarehy. I Lioka irery ihany koa no miresaka amintsika momba ireo mpitondratena dimy. Rehefa mamaky ny filazantsara nosoratany isika, dia mahatsapa izany fangoraham-pony izany.


b. Naina (Lioka 7. 11-17)


Vahoaka nitandahatra, notarihin’i Jesoa sy maromaro tamin’ireo mpianany, no nanatona ny tanànan’i Naina. Nisy olona hafa koa, nilahatra nivoaka ny tanàna, nitondra fatina lehilahy iray, “izay zanaka lahitokan’ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy”. Vahoaka marobe no nanaraka azy ireo. Hifanena amin’ny fahafatesana Ilay Andrianan’ny fiainana. Ao amin’ny filazantsara dia tsy mba nisy olona maty teo anatrehan’ny Tompo Jesoa teto an-tany, eny fa na dia ilay jiolahy teo ambony hazofijaliana aza, izay tsy notapahana ranjo raha tsy taorian’ny nanoloran’ny Mpamonjy ny fanahiny teo an-tanan’ny Rainy.


Tsipihin’ny Teny indray fa onena i Jesoa. Nampahereziny ilay reny: “Aza mitomany.” Amin’ny maha-Tsitoha Azy “ny Tompo” dia nanendry ny tranovorona sy niteny hoe: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty, “ary dia natolony tamin-dreniny”, toy ilay zaza nafahany tamin’ny demonia teo am-pototry ny tendrombohitra niovany tarehy, ka “natolony tamin-drainy indray”.


Io tranga io dia azo ampifandraisina amin’ny fahateraham-baovao ho ana tanora iray. Angamba ilay zatovo tao Naina dia 15 na 20 taona tany ho any. Mety matetika izy sy ny reniny no nampahatsiaro io andro hafakely io, izay nifanenany mivantana tamin’ny Tompo! Fijoroana ho vavolombelona no aseho eto: Raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.


Ilay zanakavavin’i Jairo dia mbola nandry teo am-pandriany. Ny fatin’ilay tovolahy eto kosa dia efa an-dalana ho any am-pasana. Ary i Lazarosy dia efa tao am-pasana nandritra ny efatra andro. Fahefana iray ihany no namerina ny ain’izy telo ireo. Mbola io fahefana io ihany koa ankehitriny no manome ny fiainana mandrakizay ho ana zaza iray, ho ana zatovo iray, ho ana olon-dehibe iray.


d. Ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty (Jaona 11. 1-44)


Io no mampitolagaga indrindra, amin’ireo fahagagana nataon’ny Tompo Jesoa. Teo am-bavahadin’i Jerosalema mihitsy no nanaovany izany. Nisy iraka nilaza taminy hoe: “Tompoko, indro, marary ilay tianao. Ary rehefa ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra” (and 3-4). Niandry roa andro i Jesoa vao nankany Betania; nomen’izy mirahavavy tsiny Izy noho izany. Mba tsy hieritreretana fa nisy fahasiahana eto, dia manipika ny Teny hoe: “Jesoa tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.” Azo antoka fa tranga nahangirifiry azy mirahavavy tokoa izany, nefa dia nahatonga azy ireo “hahita” ny voninahitr’Andriamanitra (and 40). Tsy hoe nisy tsy fatokiana teo amin’izy mirahavavy, na hoe nilaina ny nanitsy azy ireo; fa ny ho vokatry ny fizahàn-toetra dia fahafantarana lalindalina kokoa ilay Namana mahatoky, Izay nandalo matetika tao an-tranony.


Farany, tonga ihany i Jesoa, ary efa tao am-pasana nandritra ny efatra andro i Lazarosy. Dodona i Marta nandeha hitsena Azy, fa i Maria kosa (fantany ve sa tsia hoe tonga i Jesoa?) nijanona tao an-trano. Ny resaka nataon’i Marta tamin’i Jesoa dia nahatonga azy hiteny hoe: “Mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” Fa tsy dia azony tsara izay tian’i Jesoa hambara. Lasa izy niantso mangingina ny rahavaviny, hoe: “Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao” (and 28). Andinin-tSoratra Masina niteny tamin’olona maro io. Tonga i Isaia nilaza an’i Hezekia hanafatra ny ankohonany, “fa ho faty ianao” (Isaia 38. 1). Nisy olona hafa nantsoin’ny Mpampianatra hanakaiky Azy, mba hahafantatra Azy bebe kokoa, hianatra Aminy, hanaraka Azy; ny sasany koa, nantsoiny hanao fanompoana manokana. Ny zava-dehibe dia ny mamaly izany antso izany sady mahazo antoka fa hovalian’Andriamanitra ny finoana.


Noheverin’ireo Jiosy hoe nankany am-pasana i Maria mba hitomany. Maro ny olona no mandeha eny am-pasana, hitomany ireo malalany maty, ary tsy misy mahadiso azy ireo tsy akory izany. Fa i Maria kosa dia efa nianatra ny nihaino an’i Jesoa teo an-tongony. Izao izy dia nianatra ny ho eo an-tongony, hitomany. Ary tsy ho ela dia hiverina eo, hitsaoka Azy. Aleo lavitra tokoa, rehefa azom-pahoriana, mankeo an-tongotr’i Jesoa, ary mitomany eo, mahita ny fitiavany sy ny halemem-panahiny!


Rehefa nanatona ny Tompo ka nahita azy nitomany, sy ireo Jiosy niaraka taminy nitomany koa, dia hoy ny andininy fohy indrindra ao amin’ny Baiboly, hoe: “Jesoa nitomany.” Tsy nitomany noho i Lazarosy Izy, satria nahafantatra tsara fa hanangana azy ho velona. Fa nony hitany kosa ny fahefan’ny fahafatesana amin’ny fanahin’ny olombelona, dia nalahelo mafy Izy, alahelo niharo fahatsapana tsy rariny; “vonto ny fanahiny.”


Izy irery no manana fahefana hanangana ilay maty. Nefa dia nangatahiny ireo olona nanatrika teo, hoe: “Esory ny vato.” Nanakana i Marta, satria efa lo ilay vatana. Dia namaly azy ny Mpampianatra hoe: “Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” (and 40). Ho azon’i Jesoa natao tsara ny nanala io vato io, na nampanjavona azy. Mba tiany nefa ireo olony, hiara-miasa aminy, raha azo lazaina izany. Izy irery no afaka manome ny fiainana mandrakizay, nefa isika dia mety hantsoina “hanaisotra ny vato”: sakantsakana, fandavana, teny diso toerana, fahazaran-dratsy —manakana fanahy iray tsy tena hanatona ny Tompo.


Rehefa avy niresaka tamin’ny Rainy i Jesoa, dia niantso mafy hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ny maty, nisy fehim-paty ny tanany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hanafaka azy amin’izany fatopatotra izany ve i Jesoa? Tsia! Nankininy tamin’ny mpianany izany asa izany: “Vahao izy, ka avelao handeha” (and 44).
Ny olona iray vao niova fo dia mety mbola voasakantsaka-na eritreritra isan-karazany, fisainan-diso, ambainday mampalahelo. Ampiasain’Andriamanitra ny olony, hanampy azy hamaha ireo fatorana ireo. Nefa manana ny andraikiny feno koa io olom-baovao io: Avelao izy handeha. Tsy maintsy miana-mamindra irery miaraka amin’ny Tompony izy, na dia nomena fanampiana am-pitiavana aza, teo am-boalohany.


7.2. Fampianarana ara-panahy


Zava-dehibe ny manavaka tsara ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny lafiny ara-panahy sy ny hitsanganan’ny vatana amin’ny maty rahatrizay. Lazain’i Jesoa mazava tsara izany ao amin’ny Jaona 5: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro, ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary izay mandre dia ho velona” (and 25). Izao ankehitriny izao, eto amin’ity tany ity isika no afaka mahazo ny fiainana mandrakizay, raha mandre ny feony (1 Jaona 5. 13). Fa eo amin’ny andininy faha-28-29 Izy dia manipika hoe: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy … ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana {Io no fananganana ny tena (ny vatana) amin’ny maty (1 Tesaloniana 4. 16)}, … ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana {Na: ho fitsarana (Apokalypsy 20. 12-15)}.”


Efa matin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika isika (Efesiana 2. 1, 4-6), nefa Andriamanitra, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy; ary niara-natsangany taminy isika. Omeny fiainaina vaovao ny fanahintsika, “ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany” (1 Jaona 5. 11) —“fiainana mandrakizay” io resahina eo io. Tafaray Aminy isika ka manana sahady, dieny ankehitriny, ny fiainana mandrakizay. Nony nanoratra ho an’ny Kolosiana i Paoly, dia nanatsoaka ny fampiharana izany: “Koa raha {Mifono ao koa ny hevitra hoe: “Koa satria”.} niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra et an-tany” (3. 1-2).
Marina fa manana ny fianarantsika isika, ny asantsika samihafa, ny fianakaviantsika, ny namantsika, sy “ny zavatra rehetra omen’Andriamanitra antsika malalaka, mba hifaliantsika” (1 Timoty 6. 17). Nefa raha tsapantsika io fiainana vaovao ao amin’ny Tompo io, dia hifantoka amin’ny zavatra any ambony ny fontsika sy ny fitiavantsika, hifantoka amin’ireo zavatra maharitra, na dia tsy hita maso aza: ireo no ho harenantsika.


Fa hisy koa fitsanganan’ny tena {Fitsanganan’ny vatana: hitsangan-ko velona ny vatana.} amin’ny maty. Nisy olona vitsivitsy nisalasala ny amin’izany, tany Korinto (1 Korintiana 15. 12). Notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ny apostoly ka nanantitra hoe: “Efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy, ho santatr’izay efa nodimandry… ahaveloman’ny olona rehetra ... ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy, amin’ny fiaviany. Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany” (and 20-24). “Toy ny nitondrantsika ny endrik’ilay amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’Ilay any an-danitra koa” (and 49).


Ny filazana fa “efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty” (2 Timoty 2. 18), dia nahatonga ireo mpampianatra sandoka hivaona amin’ny fahamarinana sy “namadika ny finoan’ny sasany”. Raha efa lasa tokoa —araka ny lazain’izy ireo— ny fitsanganana amin’ny maty, dia tsy hisy intsony, izany, ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, rahatrizay. Ireo olon-dratsy ireo dia nampifangaro ireo fitsanganana amin’ny maty roa samy hafa; tena zava-doza izany, hany ka nampirisihin’ny apostoly ny mpino mahatoky, mba “hanadio tena” tsy hiaraka amin’ireo izay mampianatra izany fahadisoana lehibe izany, mbamin’ireo mpianany.


Isika mpino dia manana “ny fanantenana mahafinaritra”: rehefa ho avy ny Tompo Jesoa, dia haka ny olony, na ireo efa maty tao Aminy na ireo mbola velona. “Toy ny indray mipy maso” no hahatanterahan’izany zavatra mahatalanjona izany, izay vokatry ny fahefany: ny fitsanganan’ny maty sy ny “fanovana” ny velona: hitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity, ary hitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity! (1 Korintiana 15. 52-54). “Dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4. 17).



* * *



Ireo fahagagana nataon’ny Tompo Jesoa, asa izay nomen’ny Ray Azy hotontosainy, dia manambara fa nirahin’ny Ray Izy (Jaona 5. 36). Izy dia nanao fahagagana maro hafa koa, izay tsy voasoratra; “
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20.
31).

Dos de couverture

IREO FAHAGAGANA NATAON’NY TOMPO JESOA

Inona no tanjon’ireo fahagagana nataon’ny Tompo Jesoa? — Onena mandrakariva Izy, nanoloana ireo fahoriana hitany, ary vonona lalandava ny hanasitrana ireo izay nanatona Azy am-pinoana. Fa koa, asa nomen’ny Ray Azy hotontosainy (Jaona 5. 36) izany, ary manaporofo na maha-Izy Azy, ny maha-Andriamanitra Azy. Nisy fahagagana hafa, nanampy ho amin’ny fampianarana ny mpianatra, ary natao hizahan-toetra ny fatokian’izy ireo, na hampiseho ny voninahitr’Izy Jesoa.

Ho antsika, ireo fahagagana dia mitondra fampianarana maro ara-panahy, izay ezahina avohitra ato amin’ity bokikely ity.

Maro ireo fahagagana hafa nataon’i Jesoa, izay tsy voalaza ao amin’ireo Filazantsara, “fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona20. 31).

G. André.